Valin-kafatra tena nahafinaritra! đ
âTena salama tsara aho â tsy manana olana mihitsy! Manana fianakaviana mahafinaritra aho, asa tena tsara, salama tsara izahay, manam-bola⊠raha fintinina dia mandeha tsara daholo ny zava-drehetra!â
Izany no hafatra voaraiko ho valinâny mailaka âFahagagana isanâandroâ, izay niresahako ireo fotoana izay hanozongozananâny fiainana antsika. Ary rehefa namaky izany aho, ny fihetsiko voalohany dia hoe : âHay, toa tsy nampahery anâity ramatoa ity akory ilay hafatroâŠâ
Mandra-pamakiako ny tohiny... ka hitako izay tsapany : âRaha ny marina, rehefa namaky ny mailakao aho, dia tsapako fa manana olana ihany aho⊠Ary ny olako dia ny hoe tsy manana olana aho! đ
Satria mandeha tsara loatra ny zava-drehetra ao aminâny fianakavianay, ka ny fialam-boly, ny fialan-tsasatra, ny fivoahana miaraka, sy ny sisa no mameno ny andronay. Misy zavatra atao foana â ka zara raha maka fotoana hisainana aho. Zara raha maka fotoana ho anâAndriamanitra koaâŠMisaotra nampahiratra ny masoko! đ ENY, tena olana izany!â
Tena fahatsapana tsara izany! đĄ
Rehefa ratsy ny zava-mitranga dia matetika isika no manontany hoe :
đ âNahoana Andriamanitra no mamela izao hitranga?â
Fa rehefa mandeha tsara kosa ny zava-drehetra, dia afaka mahatsapa amim-pankasitrahana koa isika hoe :
đ âOay, mahagaga fa avelanâAndriamanitra hiaina toy izao aho. Fahasoavana tsy misy fangarony izao!â
Rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra, dia mety ho feno zavatra ny fiainantsika, ka mihena tsikelikely ny fotoana ifanakalozantsika aminâAndriamanitra...
Kanefa, rehefa mahazo fitahiana betsaka isika, dia tsy tokony izany no fotoana hanimbana ny fifandraisantsika Aminy. đ
Koa aoka tsy hifaly aminâny fitahiana fotsiny isika, fa hamadika izany ho fisaorana. Izao no amporisihinâny Baiboly antsika : âMisaora amin'ny zavatra rehetraâ (1 Tesaloniana 5:18)
âš Manasa anao aho hisaina ireto fanontaniana ireto : Inona no antony ahafahako maneho fankasitrahana aminâizao fotoana izao, nefa mandeha tsara ny zava-drehetra? Ary ahoana no ahafahako manome toerana lehibe kokoa anâAndriamanitra ao anatinâny fiainako andavanandro â angamba aminâny vavaka fohy, fitsangantsanganana miaraka Aminy, na hira iray ao anaty fiara? đ¶
Aminâny fo feno fankasitrahana no ilazako aminao : Fahagagana ianao! đ€