• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 3, 2024

✨Vahaolana avy amin'Andriamanitra

Andro namoahana Des 3, 2024

Handeha hodinihintsika ny faran’ny tantara hitantsika omaly. Voasoratra hoe: ”Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra. Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina.. “ (Matio 14:23-25).

Raha mbola nivavaka i Jesosy, dia nisy ady tao amin’ny tontolo ara-panahy, nanohitra ny mpianany. Fiampitana milamina fotsiny no noeritreretin’izy ireo, nefa nivadika ho ady mafy izany.

Efa tokony ho tamin’ny telo maraina, mbola tao anaty ranomasina ihany izy ireo, mbola niady mafy tamin’ny rivotra sy ny onja ho eny am-pita. Raha ny marina, dia milaza ilay andalan-teny fa “natopatopan’ny alon-drano” izy ireo noho ny rivotra natrehiny.

Tamin’izay fotoana izay, ilay Fanahy Masina izay nitari-dalana an’i Jesosy hivavaka ihany no namporisika Azy koa, hanao zavatra tsy takatry ny saina, nefa io no fanalahidy : handeha eny ambonin’ny rano, hanatona ny mpianany.

Tsy mora takatra izany amin’ny maha olombelona. Fa miasa amin’ny fomba hafa ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny finoana izay nahafahan’i Jesosy nanao fahagagana toy ny nampitombo ny mofo sy ny hazandrano, no nahafahany nandeha teny ambonin’ny rano, toy ny tamin’ny tany maina.

Tsy nofinofy akory izany, fa i Jesosy dia tena nahafantatra fa tokony hanatona ny mpianany Izy mba hamonjy azy. Ny Fanahy Masina no nanome Azy io hevitra io.

Ry namako, tian’Andriamanitra hanao zava-mahagaga toy ny mandeha amin’ny rano ianao! Tsy tiany hifantoka amin’ny herinao na ny fahalalanao ianao, fa tiany ny hanome anao hevitra sy vahaolana avy Aminy izay tsy ampoizinao akory.

Efa hitako matetika teo amin’ny fiainako izany hoe vahaolana avy amin’Andriamanitra izany, ary tena sarobidy sy tonga lafatra izy ireny! Mivavaka aho ny mba hahitanao izany koa anio.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.