🤣 Tsy te hihomehy intsony

“Hey, ianao koa, ilay miramiran-dava - lasa aiza ilay fitsikanao?”!
Tonga saina tampoka aho ary nampihorohoho ahy izany fieritreretako izany!
Vetivety ihany anefa dia hitako ny antony. Nandritry ny andro maromaro, dia tsy nitsahatra namoky zavatra ratsy ny tenako aho, ireo karazam-baovao ratsy sy ireo horonan-tsary mampatahotra tao anaty tambazotran-tseratsera. Amin’ny atoandro mandritry ny fakan’aina sy amin’ny hariva alohan’ny hatory … dia eo foana aho. Ilaina ny “manara-baovao” , sa tsy izany?
Fantatrao ve anefa ny vokatr’izany? Arakaraky ny hamokisanao tena amin’ny zavatra mifono fahamaizinana no hampihena tsikelikely ny fahazavanao… Te hampahatsiahy anao aho hoe:
Tena misy ny asan’ny maizina fa ny fanatrehan’Andriamanitra koa dia tena misy!
Aza adinoina mandrakizay izany!
Manontany tena ianao hoe ahoana no ahafahanao miverina amin’izany? Mivokisa ny fahamarinana dia hamiratra hatrany ny fahazavanao!
Eny, manana iraka izaho sy ianao dia ny mba ho fahazavan’izao tontolo izao. Toy izao no voasoratra ao amin’ny Matio 5:14 : “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao!”
Tsy amin’ny rehefa misy jiro ihany anefa. Fa na amin’izao fotoana izao aza! Hita kokoa ny hazavana rehefa anaty maizina amin’ny alina. Efa nisaina izany ve ianao?
Ary izany indrindra no tsy tokony hanadinoanao ny iraka hampanaovina anao ! Sy ny hahatsiarovanao ny fomba mampitazona ny jironao hirehitra foana! Izao no voalaza ao amin’ny Filipiana 2:15 “mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao”
Izany teny izany dia manamafy hatrany ny fanirian’Andriamanitra hamirapiratanao hatrany na anatin’ ny haizina aza. Ary miditra lalindalina kokoa ilay andininy: ambarany aminao ny anton'ny faniriany hamirapiratanao hatrany: satria “mitana ny tenin'ny fiainana ianao” (Filipiana 2:16a)
Arak’ izany, fantatrao amin’ izay no tokony hatao, sa tsy izany?
Vokiso fahamarinana ny tenanao mba hamirapiratra hatrany ny fahazavanao!
Aoka izaho sy ianao hivoky ny fahamarinana mandrakariva ary hampiely ny fahazavana ao anatin’ny haizina manodidina antsika. Satria raha tsy isika, dia iza no hanao izany? Raha tsy ankehitriny dia rahoviana isika no hanao izany?
Fahagagana ianao!

