đ Tsy tara loatra ho anâity fanomezana ity
Ianao koa ve mba anisan’ireo izay matetika miandry ny ora farany vao mitady fanomezana Noely?
Matetika, tsy noho ny tsy firaharahiana akory izany fa noho ny tsy fahampian’ny fotoana, na noho ny tsy fanomezantsika fotoana ho an’izany. Betsaka ny olona no tena lasa reraka tampoka sy very herim-po noho ny fanomanana rehetra mialohan’ny krismasy, ary indraindray dia lasa misy fiantraikany amin’ny fahasalamana mihitsy izany.
Raha sendra izany ianao dia te hampahatsiahy fahamarinana iray aminao aho : (Jaona 8.32) izay milaza fa: Afaka manova zavatra ao amin’ny fiainanao ianao, izay hanova ny ZAVATRA REHETRA!
Ankehitriny, tiako ny hampahatsiahy anao momba ilay fanomezana iray izay mety tsy mbola nosokafanao, noho ny fahasahiranana ara-potoana na noho ny faharerahanao.
Mety ho nahatonga anao hirotsaka ao anatin'io fahaketrahana kely io mihitsy aza ireo zavatra andrasanao rehetra ireo (amin'ny tenanao) ka tsy tao an-tsainao mihity ilay FANOMEZANA resahana eto...
Raha izany no izy, maniry aho anio mba hanokatra ity fanomezana ity ianao – satria tsy tara mihitsy raha izao! Izao no fotoana mety aminao, hanovana ZAVATRA iray ao amin’ny fiainanao, izay hanova ny ZAVATRA REHETRA:
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Esaia 9.5)
Ary inona no vokany ho anao ankehitriny? Hazavain’ny andininy manaraka izany: “Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.” (1 Jaona 5.11-12) Io no fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao!
Raha avelanao hiditra ao amin’ny fiainanao i Jesosy, dia hanome anao hery ho an’ny anio sy ny ampitso Izy! Fa raha tsy mbola nosokafanao io fanomezana sarobidy io – na inona na inona antony – dia hasaiko ianao hanokatra azy ankehitriny sady hivavaka hoe :
“Jesosy ô, misaotra Anao aho fa Ianao ilay fanomezana tsy takatry ny saina ho ahy! Apetrako Aminao ny fitokiako manontolo, ary ankehitriny dia omeko Anao ny fiainako, satria Ianao irery ihany no afaka manova izany! Tiako Ianao! Jesosy: MISAOTRA noho Ianao! Amen.”
Ary : Misaotra ANAO koa aho!
Mirary Krismasy tena MAHAFINARITRA ho anao sy ny ankohonanao aho!
Fahagagana ianao !
