Tsy reraka mivavaka
Tsy reraka mivavaka
Manomboka anio ny advento. Tsy voalaza ao anaty baiboly moa izy io fa nipetraka kosa ho herinandro efatra fiomanana mialohan’ny fankalazana ny krismasy. Manana ny fomba hanamarihany izany izao tontolo izao fa te hanentana anao manokana aho amin’ity taona ity hanokana fotoana hivavahana misimisy mandritry ireo andro vitsy mialohan’ny fankalazana ny Krismasy ireo. Eny tsy ao anaty Baiboly koa hoe ny faha-25 ny volana Desambra Izy no teraka fa tsy hitarika antsika anaty adihevitra momba izay aho fa hitarika antsika hivavaka misimisy.
Inona ireo antom-bavaka? Inoako fa manana ny anao manokana ianao ary mety misy efa nivaly na mbola handrasanao. Fa ny ezaka ho ataontsika mpanaraka ny pejy dia ireto raha sitrakao, araky ny fitarihan’ny Fanahy Masina:
-
“Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.” Lioka 13:30. Ny hiorenantsika tsara mandra-pihavin’ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra ka hiala amin’ny avonavom-panahy rehetra.
-
“Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.” (Galatiana 5:22-23) Ny ahitàna ireo vokatry ny fanahy ireo amin’ny fiainantsika andavanandro.
-
“Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Lioka 22:42. Ny hanoavantsika foana ny sitrapony na mandalo sedra sy olana aza isika.
-
“Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” 1 Timoty 2: 1-2. Anjara andraikitsika Kristianina ny mitondra am-bavaka ny firenentsika, ny mpitondra ary ny olona rehetra. Mety mahafapo na tsia ny ataony fa azy sy Andriamanitra iny fa ny antsika dia mitondra am-bavaka. Aza adino indrindra indrindra ny fahafahana mitory malalaka ny Filazantsara eto Madagasikara mba hitohy sy ahakasika olona maro izany.
Mankasitraka anao manokana aho ny amin’ny fitiavana sy ny finiavanao hitondra am-bavaka sy hifampivavaka hiaraka amiko. Mila mivavaka mandrakariva isika ka tsy reraka hoy ny Lioka 18:1. Andriamanitra tenany mihitsy anie hamaly fitia anao sy hanefa ny fanirin’ny fonao.
Misaotra tompoko. Mivavaka ho anao ihany koa aho.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕