• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 21, 2025

Tsy nety tamiko mihitsy ny hiaina an’izany !

Andro namoahana Des 21, 2025

“Tsia, tsia, tsia mihitsy !”

Tato ho ato dia nisy fivarotana lehibe nandefa hafatra tamiko, nanasa ahy hihira eo ambanin’ilay hazo Krismasy goavam-be mandritra ny vanim-potoanan’ny Krismasy. Fa rehefa niresaka vola aho, dia nahagaga ny valinteniny : “Fa ahoana ? Misy sarany ve izany ? Heverinay fa hanao an’izany ho asa sosialy fotsiny ianao !”

Raha ny marina, tena faly aho raha afaka manome am-pahatsoram-po, ary manampy hanao hetsika tsara izay mampahery ny olona sy mampanakaiky azy amin’i Jesosy. Fa manana andraikitra amin’ireo mpiara-miasa amiko koa aho, sy ny fianakaviany. Azoko antoka fa nanana fahafahana handoa ny sarany io fivarotana io…

Nolaviko noho izany ilay fanasana. Saingy, tamin’izay fotoana izay ihany, nanaiky ny hihira tao amina fiangonana kely aho – izay tsy nanam-bola koa. Fa fantatrao ve nahoana no nanaiky aho ?

Satria misy toerana toa tsara tarehy, nefa tsy tena raisina amim-pitiavana ianao ao. Ampiasaina fotsiny ianao hanatanteraka zavatra iray. Ary misy toerana hafa, tsotra, kely, nefa any no miseho ny fahagagana lehibe !

Amin’izany karazana fanapahan-kevitra izany, zavatra iray no tena zava-dehibe : ✨ Raha te ho eo amin’ny toerana iasan’Andriamanitra ianao, dia tsy maintsy mandeha miaraka amin’ny Fanahy Masina. ✨

Indraindray isika mafy loha amin’ny tetikasa toa “mamiratra” ivelany. Fa raha mihaino tsara ianao, dia ho renao ny feon’Andriamanitra milaza am-pitiavana hoe : “tsy ho anao io lalana io… na dia toa mampanantena sy tsy azonao hoe nahoana.”

Andriamanitra dia mampiseho izany amin’ilay tantara mahagaga indrindra : ny nahaterahan’i Jesosy Mpamonjy :“Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.” (Lioka 2.7)

Tsy nisy hotely goavana nanokatra varavarana ho an’ny Mpamonjin’izao tontolo izao. Fa tompona trano fialofana tsotra, no nanokatra toerana ho Azy… Zava-dehibe kokoa ny eo amin’ny toerana natao ho antsika noho ny amin’ny toerana toa manintona kokoa.

Enga anie hitari-dàlana anao anio ireo teny ireo. Satria Andriamanitra dia nanova ny tantaran’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny nahaterahan’i Jesosy tao amin’ny toerana tsotra indrindra. ✨

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.