• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 26, 2024

🤔 Tsy nampoiziko mihitsy…

Andro namoahana Nov 26, 2024

Tonga ihany ity ny fotoam-pialan-tsasatra !Eny, ny teti-bola dia mety ho antony tsy hahafahantsika tena miala sasatra tsara. Mety... Raha avelantsika hanempotra antsika ilay eritreritra…Tianao ny hanome ny zava-drehetra ho an’ny zanakao mandritra ny fialan-tsasatra. Na mba hanasa ny vadinao hisakafo amin’ny ireny toerana voatokana ireny, nefa, ny tena marina, tsy ampy mihitsy ny teti-bola…Ry namako, tamin’ny fialan-tsasatra keliko vao haingana, dia nanapa-kevitra aho ny hiala sasatra miaraka amin'Andriamanitra fa tsy lavitra an’Andriamanitra. Ary ambarako aminao fa io fanapahan-kevitra io dia tokony ho raisina foana, fa tsy mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra ihany!Indray andro, naniry hampifaly ny reniko aho fa niala sasatra kely tety akaikinay izy tamin’izay. Nolazaiko tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka izany. Tsy ela akory taorian’izay dia nahita fanomezana tsy nampoizina tao amin’ny kaontiko aho, nisy soratra hoe : “Mirary faran’ny herinandro sambatra.”Ry namako, indraindray aho tena mahazo fanomezana noho ny asako, isaorako an’Andriamanitra izany, ary feno fankasitrahana aho! Fa io fanomezana io, niaraka tamin’ilay hafatra mivantana hoe “Mirary faran’ny herinandro sambatra” – dia toa midika hoe "Tena ho anao mihitsy ity" – ary tena nifanojo tsara tamin’ilay eritreritro ny hanome fahafaham-po ny reniko niaraka tamin’Andriamanitra – tena nampihetsi-po ahy ilay izy!Tena azoko tamin’izay hoe “izay miala sasatra miaraka amin’Andriamanitra dia afaka manantena fahagagana koa!”Ry namako, te hampahery anao amin’ny foko manontolo aho mba hibanjinanao an’Ilay mahalala ny toe-bolanao sy ny toe-javatra iainanao. Te hanasoa anao Izy! Nahoana? Satria tsara Andriamanitra! Ary tiany ny manome ny tsara ho anao !Afaka manantena harena mihoatra lavitra ianao, fa tsara lavitra noho izany, manantena ny hatsaram-panahin’Andriamanitra izay tsy misy fetra!“Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” Habakoka 3:18  (na dia sarotra aza ny toe-javatra iainako)

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.