Tsy nampoiziko…
Tonga ihany ilay fialan-tsasatra ! Misintaka amin’ny andavanandrom-piainana ! Eny e, ny vola ao anaty kaonty no mety hanakana antsika tsy tena hankafy tanteraka 😬 angamba… raha avelantsika hibahana anaty eritreritra izany…
Rehefa mandeha fialan-tsasatra dia tianao mba hankafy ny lalao rehetra misy ny zanakao. Na koa manasa ny vadinao amina toeram-pisakafoana iray amin’ny hariva… Saingy izao, ny tena marina, dia tsy mamela hanao izany ny vola eo am-pelatanana…
Nandritra ny andro vitsivitsy tsy niasako, dia ninia nanapa-kevitra ny hiala sasatra miaraka amin’Andriamanitra fa tsy hoe miala amin’Andriamanitra aho. Izany hoe raha tsorina, izany fanapahan-kevitra izany dia raisina mandrakariva, fa tsy hoe mandritra ny fialan-tsasatra ihany !
Indray andro dia te hampihantahanta an’ny reniko tsotra izao aho izay niala sasatra ihany koa teo akaikinay. Noresahiko tamin’Andriamanitra koa izany tamin’ny vavaka. Noho ny avy eo, dia nahazo fanomezana tsy nampoizina aho tao amin’ny kaontiko, nisy soratra hoe “Mirary faran’ny herinandro mahafinaritra”.
Misy fotoana aho, misaotra Tompo, mahazo fanomezana avy amin’ny asako, ary dia ankasitrahako feno ! Fa ny fanomezana azo tsapain-tanana miaraka amin’ny soratra hoe “Mirary faran’ny herinandro mahafinaritra” - izany hoe : “Natao ho anao manokana” - ary tamin’ny fotoana izay nanapahako hevitra hiresahana amin’Andriamanitra ny amin’ny hampihantako ny reniko - tena tohina tanteraka aho !
Te hampahery anao amin’ny foko manontolo aho mba hibanjina Ilay mahafantatra tanteraka ny kaontinao sy ny zava-manjo anao. Te hanisy soa anao Izy ! Nahoana ? Satria Tsara Andriamanitra ! Te ho tsara ho anao Izy !
Mahazo manantena kaonty feno hipoka ianao, na tsara kokoa, manantena ny fahatsaran’Andriamanitra izay feno hipoka !
“Nefa izaho (na dia kaonty zara raha misy vola aza noho ny zava-misy) dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:18) 😃🤗
Fahagagana ianao !