• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 2, 2025

Tsy moramora ny mankató🎵🎶

Andro namoahana Aog 2, 2025

Jakoba 4:17 - Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany

Somary taitra aho nahita io andinin-tsoratra masina io satria vao tsy ela no nisy olona tokony nasiako soa nefa nangatak’andro aho ary nitady fialan-tsiny lava teny. Misaotra ny Tompo aho fa voaefako ihany ny tokony nataoko. 

Hoy ny hiran’i Joseph d’Af izay hoe: “Tsy moramora ny mankato…” Hainao ve io hira io? Mahalaza tsara ny tiako ampitaina anio izy io. Ny fankatoavana dia tsy mora matetika. Mila fanetre-tena be, mila famotsorana izay mety mitaky zavatra maro…. Mino aho fa efa niaina izany ianao ary tiako raha mba zarainao fohy eo amin’ny “commentaire” ny niainanao hifampaherezantsika.

Misy fotoana ianao tsy te hivavaka nefa renao izao ny Fanahy Masina mibitsika hoe ento am-bavaka i…. Mitady fialan-tsiny eo hoe : fa maninona no izy? Ny olako aza be dia be…. Iny olona iny aza milamina be sns…. Indray andro dia nisy pasitera niaina io ary niezaka ny namantatra fa maninona aloha…. fa nihamafy ny feo tao anatiny ary namoritra lohalika ihany izy dia nankató nivavaka ho an’ilay olona. Taty aoriana izy vao nahalala fa nandalo ady mafy io olona io tamin’iny fotoana iny ary nahatsapa hery izy ka tafajoro indray sy nandresy. Hitanao? Misy hery, misy vokatra ny fankatoavana. 

Aoka tsy ho isaina ho heloka ho anao ny tsy fankatoavanao. Rehefa renao fa ny Tompo no miteny dia mihetseha fotsiny fa izay no anjaranao ary Izy efa mahalala ny ho ataony koa.

Handeha haka fotoana isika anio hifona ny amin’ny tsy fahatanterahantsika. Tsy hitoetra anaty fanamelohan-tena nefa fa hisafidy am-pahamatorana ny hankató ny Raintsika na inona na inona no mety ho takiana ahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. 

“Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.” (Gal 1:10)

Hiroso lalindalina kokoa hatrany isika. Mbola ao ianao?🙂 Tahiana manokana ianao. 

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.