Tsy misy mahasaraka antsika amin’Andriamanitra !
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina, fahagagana miavaka… izay mitondra fifaliana, fanantenana, fandresena. Fa rehefa miresaka fandresena dia ao ihany koa ny ady…
Miatrika ady ve ianao amin’izao…? Havizanana ve izany sa aretina, fanenjehena, fisarahana, tahotra sa fahakiviana…?
Ao anatin’izany rehetra izany dia manome toky anao ny Tenin’Andriamanitra fa tsy misy mahasaraka anao amin’ny fitiavan’i Jesosy. Izany indrindra no ambaran’ny Romana 8.35 : “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy…? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra…?”
Jesosy mihitsy no mankahery anao rehefa miteny Izy hoe : “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana (sedra, alahelo, fijaliana); nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Vakio ny Jaona 16.33.)
Eny, mety handalo sedra sy fanenjehana mihitsy aza ianao, saingy miaraka aminao Jesosy isan’andro mandrampaha-tapitr’izao tontolo izao. (Vakio ny Matio 28.20.)
Mahereza, ry namako. Ny fahoriana dia tsy hahasaraka anao amin’ny fitiavany. Ny mifanohitra amin’izay aza no misy…
Ireo tsy azonao atao dia manjary azon’Andriamanitra atao.
Ireo fahalaniana eo aminao dia manjary fiandohana noho Izy.
Ireo fahalemenao dia avadiny ho hery.
Ireo sedra lalovana dia ho lasa fijoroana vavolombelona mafonja ho an’ny voninahiny.
Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko: “Jesosy Tompo ô, misaotra noho ny hoe TSY MISY mahasaraka ahy Aminao, amin’ny fitiavanao, ny fanatrehanao. Ianao no Andriamanitra ary hitoetra ho Andriamanitro foana ianao : na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, na amin’ny fifaliana na amin’ny fahoriana, na amin’ny harena na amin’ny fahantrana, na amin’ny fahasalamana na amin’ny aretina. Andriamanitro Ianao ary tiako. Matoky Anao aho hitondra ahy any amin’ny faran’ny dia sy hanome ahy fandresena. Isaorana mandrakizay anie ny anaranao. Amena.”