• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 29, 2026

Tsy misy "levure"

Andro namoahana Sep 29, 2026

Rehefa manamboatra mofo isika dia ilaina foana ny levure mba ampitombo azy sy hanome endrika ilay tadiavintsika. Singa kely iray nefa tena manova zavatra izy io. 

Fa misy fampitomboana tsy mila “levure” 😄…Ary sady miavaka fa mitombo amin’isa ary mbola misy ambiny 12 sobika…ieeeee, iny mihitsy!!! Ilay tantaran’ny mofo dimy sy hazandrano 2. 

Marka 6:41 “Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.”

Efa navelanao noraisin’i Jesosy ve ny momba anao? Olona dimy arivo, isan-dehilahy no resahina eto, no nozaraina mofo 5 sy trondro 2. Raha amin'ny fisainana maha-olona dia hoe “‘zany koa ve dia possible eee”... Ny mpianatra moa dia nanao kajy amin’ny denaria roanjato fa Jesosy niteny kosa hoe asaivo mipetraka izy ireo….

Ianao koa, makà toerana 😊 dia atolory an’i Jesosy izay eo aminao. Fa izay raisiny an-tanana dia hitombo ary mbola hisy ambim-bava aza.  “Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky. Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.” (and 42-43). 

Manonona aho ho voky fitahiana anie ianao ary hanana amby ampy hatrany miaraka amin’i Jesosy. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny