🚪Tsy misy afaka aharindrina io vararavarana io !
Nandritra izay andro vitsivitsy izay, dia hitantsika ny vokatra azo rehefa miaina fiainana feno fotoana isokafan’ny Lanitra isika. Iray amin’izany dia fahafahanao miaina ny fitomboan’ny herinao amin’ny fotoana tena ilainao izany.Â
Isika sy ianao dia mahalala fa ny herintsika dia voafetra ihany, ary misy fotoana tena tsy manana izany isika. Ny tetikasa sasany dia tsy vita amin’ny maha olombelona, ary ny sasany toa tsy mety tratra mihitsy na dia eo aza ny ezaka rehetra.Â
Jereo anefa ny nolazain’ny Tompo ho an’ny fiangonana tao Filadelfia : “Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.” (Apokalypsy 3.8)
Tsy resaka hery ilay izy ny tena marina fa fahasoavana. Rehefa manolotra ny fiainantsika tanteraka amin’Andriamanitra isika, dia tsapantsika fa tsy ny herintsika no mahatonga antsika mandroso, fa ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany. Izy no manao fahagagana, manokatra varavarana tsy takatry ny saina, manome antsika fifandraisana avy Aminy… Izy no manao zavatra izay ao anatin’ny segondra iray monja, dia afaka mitondra vokatra maro noho ny asantsika nandritra ny taona maro.Â
Izany indrindra no niainan’i Eric Celerier. Indray andro izy dia tany amin’ny tendrombohitry Colorado ary nitady an’Andriamanitra tamin’ny fony rehetra. Teo am-pandehanana izy dia henony mazava ny Tompo milaza aminy fa tokony hanomboka hanoratra mailaka fampaherezana isan’andro izy ho an’ny olony, ary Andriamanitra tenany mihitsy no hanampy azy amin’izany.Â
Toy izany no nipoiran’ny Fahagagana Isan’Andro, ary izany hevitra tsotra nomen’Andriamanitra azy izany dia tonga hetsika izay mikasika olona aman-jatony maro isan’andro taona maro aty aoriana, amin’ny fiteny samy hafa mihoatry ny 16. Mahagaga izany sa ahoana hoy ianao ? Tao anatin’ny minitra iray Andriamanitra no nanambara tamin’i Eric zavatra iray izay tena misy fiantraikany eran-tany, mihoatra lavitra noho ireo tetik’asa izay nampandrosoiny tao amin’ny ministerany hatramin’izay. Oao, izany ny Andriamanitsika !
Andriamanitra no herinao ! Izy no manokatra ny varavaran’ny Lanitra eo amin’ny fiainanao, sy mampitombo ny vokatrao hatramin’izao, rehefa misafidy ny hihaino ny Feony sy hamela Azy hitarika anao ianao. Aza adino fa rehefa manokatra varavarana Andriamanitra dia tsy misy afaka maharindrina azy ! ;)
Avelao Izy hitarika anao anio. Misy asa mahagaga miandry anao eo Anilany !Â