• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 4, 2026

Tsy mihambahamba

Andro namoahana Nov 4, 2026

Inona izao ny zavatra tena sahinao atao? Ilay tena hanananao fahatokisan-tena be hoe ho vitanao na ho azonao? Ny atao hoe sahy manko dia tsy misy tahotra na fisalasalana na eritreritra ambadika fa tena mitsoraka tsy ampihambahambana. 

Misy olona izao dia tena sahy mandainga ankitsirano. Efa ao anatiny ilay izy ary mhavita mivarotra am-pitsanganana mihitsy, Mampalaelo izany ary irariako tsy anisan’izany ianao sanatria. 

Fa misy koa anefa ny sahy mijoro amin’ny fahamarinana ka na mety efa hambanana amin’ny basy aza dia tsy mampiontsona azy satria resy lahatra izy. Tsaroantsika ireny hetsi-bahoaka tamin’ny herintaona ireny fa tena nisy tanora tena sahy nijoro hatramin’ny farany. 

Dia hoy ny   1 Jaona 5:14-15 “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy”. Koa sahy mino ve ianao? Tsy misy fisalasalana na fihambahambana hoe vitan’Andriamanitra io nangatahinao io? Rehefa araky ny sitrapony dia sahy miteny ve isika hoe tsy hiroaroa saina aho fa hain’Andriamanitra atao io. Satria fitohizan-kevitra no ambara eto : 

  • Fahasahiana

  • Mangataka araka ny sitrapony

  • Mahafantatra fa misy mihaino 

  • Mahazo izay angatahina

Mety hiteny ianao hoe tsotra koa ilay filazanao azy ry Norotiana fa tena izay mihitsy. Tsy misy sarotra ao amin’Andriamanitra fa isika no mila manana io fahasahiana anaty io, finoana tsy hozongozonin’ny toe-java-misy ivelany na ny tsapa. 

Koa averiko ary ny fanontaniako hoe inona no tena sahinao amin’izao? Inoy fa ho azonao izany raha araky ny sitrapony. Ho tahiana manokana ianao

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny