Tsy mbola tara mihitsy ho an’ity fanomezana ity 🎁
Ianao ve isan’ireo miandry ny fotoana farany vao mitady fanomezana Krismasy ?
Matetika dia noho ny tsy fahampian’ny fotoana, na koa tsy maka fotoana ho an’izany isika. Rehefa tena sasatra noho ny havizanana mandritra io vanim-potoana io isika, dia mety ho very tanteraka ny aingam-panahy – ary latsaka anaty fahaketrahana mihitsy aza.
Raha mahita ny tenanao ao anatin’io famaritana io ianao, dia te hampahatsiahy anao FAHAMARINANA MAHAFINARITRA aho (Jaona 8.32), satria afaka manova ZAVATRA tokana eo amin’ny fiainanao ianao, izay hanova ny fiainanao MANONTOLO !
Anio dia te hiresaka aminao Ity fanomezana ity, izay mbola tsy nosokafanao aho, noho ianao milaza hoe “Mbola mila mamita zavatra maro aho”, na koa noho ny havizanana izay mandreraka anao.
Izao no fotoana, hanovàna ZAVATRA IRAY eo amin’ny fiainanao izay hanova tanteraka ny ZAVATRA REHETRA :“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika” (Isaia 9.5)
Ary inona no ifandraisan’izany amin’ny toe-javatra misy eo aminao ankehitriny ? Ny andininy manaraka no manazava izany, : “Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.” (1 Jaona 5.11-12)
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao izany, ! 🎁 Raha avelanao hiditra ao amin’ny fiainanao i Jesosy, dia hanome anao ny hery ilainao anio sy ampitso Izy.
Raha mbola tsy nosokafanao ity fanomezana sarobidy ity noho ny tsy fahampian’ny fotoana, ny havizanana, na antony hafa, dia mamporisika anao aho hanao izany izao, amin’alalan’ity vavaka ity :
“Tompo Jesosy, misaotra Anao aho noho ity fanomezana mahagaga ity : Ianao ! Eny, Matoky Anao aho ary anio dia Atolotro Anao ny fiainako, satria Ianao irery no mahay manova azy ! Tiako Ianao ! Jesosy, MISAOTRA noho Ianao ! Amen.”
Mirary Krismasy mahafinaritra ho anao sy ny ankohonanao aho ! 🎄