⏰ Tsy mbola tara loatra!

Izaho tena mino fa mitsiky am-pitiavana be Andriamanitra isaky ny miteny amin'ny alahelo isika hoe “Efa tara loatra izao…!”
Toy ny hoe ny mpamorona ny fotoana mihitsy koa no nihoaran’ny fotoana!
Fotoana tahaka ny ahoana no hiheveranao hoe tsy misy fanantenana intsony, izany hoe efa “tara loatra”?
Araka ny efa fantatrao dia nampianatra kilasy tany amin'ny tanora misionera tany Hawaii aho taloha ela be, izay efa nisy telo taona lasa izay. Tamin'izany fotoana izany dia niara-niaina zava-mahagaga izahay nanomboka tamin'ny andro voalohany.
Niverina teny an-toerana aho ary tsy niova ny fanantenako. Saingy tamin'ny andro voalohany dia tsy nisy zavatra nisongadina nitranga. Andro faharoa… mbola nanantena ilay Fahagagana lehibe aho…
Nony andro maraina fahatelo, namaky aho hoe : “Mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany.” (Filipiana 3:10)
Ny herin’ny fitsanganany tamin'ny maty, efa imbetsaka aho no niaina izany. Rehefa navotany tamin'ny tsy fanjarian-tsakafo aho, rehefa nafahany tamin'ny fahaketrehana na koa ireo sehatra “madinika” maro.
Fa tsy ny fikatsahantsika hiaina ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ihany no tian'io andininy io ambara, fa ny faniriantsika mba hizara ny fijaliany miaraka Aminy koa. Izany mihitsy ve no tadiavintsika?
Eny tokoa, samy ilaintsika daholo izany. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ihany no tena afahantsika miaina tanteraka ny herin'ny hazofijaliana!
Tsy tara loatra izany mihitsy ny Fahagagana ho anao! Mety hoe mbola tsy tonga fotsiny ny fotoanany. Rehefa maty teo amin'ny hazofijaliana I Jesosy, nihevitra ireo mpianany hoe “efa tara loatra izao”, fa izao, aorian’ny fanambarana ny fahafatesana - dia manambara ny fiainana isika! Satria tena nitsangan-ko velona I Jesosy!
Izany indrindra no niainako… taorian’ny telo andro vao tonga ny fandrosoana… ary tamin-kery tanteraka! Ianao koa mety efa niandry nandritra ny telo taona... raha izany dia mbola manankery foana izany:
Satria Velona I Jesosy - tsy misy tara loatra izany!
Fahagagana ianao!

