• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 3, 2024

🚫 Tsy mandroso ve ny fiainanao ?

Andro namoahana Mar 3, 2024

 

Hamarana ity andiany ity isika amin’ny firesahana momba ny fiainana nampanantenain’Andriamanitra anao.

Hoy i Jesosy ao amin’ilay andininy nosaintsainintsika nandritra ny herinandro : “Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” ( Jaona 7:38 ).

Tiako ny sarin'ny riaka mikoriana eny an-tsisin'ny tendrombohitra, izay mikoriana ary midona mahery amin'ny manda ! Rano feno aina ireo.

Nandefa hafatra ho an’ny Israelita Andriamanitra tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany. Hoy Izy taminy: “Fa efa nanota roa heny ny oloko: Efa nahafoy Ahy, izay loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, dia lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.” (Jeremia 2:1 ).

Amin’ny maha-olombelona antsika, dia manana fironana hitady fiarovana isika : amin’ny fanamboarantsika manokana fitehirizan-drano izay ahafahantsika mitahiry ny ranontsika, ka tsy mila miantehitra amin’ilay tena Loharano.

Saingy misy vokadratsy maromaro aterak’izany : ny voalohany dia ny rano mijanona ela loatra dia lasa rano mihandrona. Ary ny faharoa dia ny famorian-drano izay ametrahantsika ny fitokiantsika dia mety ho vaky, ka mety ho very miaraka amin'izay ny zavatra notehirizintsika tao.

Izany indrindra no nitranga tamin’ny zanak’Israely. Nataon’ireo an-jorom-bala Andriamanitra, ary naleony nanaraka ny lalany manokana, ny fikasany manokana, toy izay niaina tamin’ny fiainana tanteraka tao amin’Andriamanitra.

Ry namako, aza manao fahadisoana toy izany koa ! Anio dia te hameno anao ny Fiainany Andriamanitra amin’ny alalan’ny riakan’ny rano velony, izay manavao sy mamelombelona anao isa-maraina.

Amin’izao anio izao, apetraho eo an-tongony ny “famorian-dranonao” rehetra, ny fiezahanao amin’ny maha olombelona rehetra hanao zavatra tsy misy Azy, ary soloy izany amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny lafim-piainanao rehetra. Ho feno voninahitra sy ho velona kokoa, ary tsy misy fetra ny vokatr’izany.

Miandry anao Andriamanitra mba hiaina fiainana feno fitahiana sy fahasambarana.Punchline : Aza mahafoy an’Andriamanitra mandrakizay

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.