• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 19, 2025

Tsy manam-potoana tsy hamelana heloka ianao

Andro namoahana Nov 19, 2025

Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:34)

Andininy malaza ao amin’ny Baiboly izany. Tena mahery ny tenin’i Jesosy tamin’izay fotoana izay ! Nefa inona marina no nitranga tamin’izany?

Mazava ho azy, fantatsika fa nohomboina tamin’ny hazo fijaliana Jesosy. Sa izany ve no antony nilazany izany teny izany ? Mitohy ilay andininy hoe : “Tao ambanin’ny hazo fijaliana, nizara tamin’ny antsapaka ny fitafiany ny miaramila.” (Lioka 23:34)

Tena fotoana nahamenatra sy nampalahelo izany ! Nesorina taminao ny zava-drehetra, na dia ny fitafianao aza. Afaka niteny toy izao Jesosy : “Tsy fantatrareo ve hoe Iza Aho? Ho hitanareo… hanasazy anareo mafy Andriamanitra !”

Nefa tsy nanam-potoana hieritreretana an’izany i Jesosy. Nifantoka loatra Izy tamin’ny famelana heloka azy ireo, na dia teo afovoan’ny tsy fahombiazan’ireo aza ! Tsy niandry an’ireo nanenina Izy na ny fahafatesany, vao namela heloka..Teo amin’ny nitrangan’ny fahotana io mihitsy Izy dia namela ny helony.

Efa tsapanao ve izany rehefa namaky ity andininy fanta-daza ao amin’ny Baiboly ity ianao ?

Tena mahagaga e !

Na mbola nanohitra Azy aza izy ireo, dia efa niaro azy ireo Izy ! Raha mbola manohitra an’i Jesosy ny fahotanao, dia Jesosy kosa manohitra izany amin’ny fitiavany anao ! Mamela heloka Jesosy satria tiany loatra ianao !

Tsy fantatro ny tantaranao. Tsy fantatro izay nataon’izy ireo taminao. Nefa mendrika ve ny hanary fotoana amin’ny fisaintsainana izany sy ny tsy famelan-keloka ?

Nampiseho izany tamin’ny fomba mahatalanjona Jesosy- namela heloka Izy alohan’ny hipoiran’ny alahelo na ny fankahalana tao am-pony. Ary afaka manampy anao Izy mba hamela heloka, na efa lasa aza, ka hanova ny fahoriana ho fifaliana, eny, na ny fankahalana aza ho fitiavana !

Satria afaka manao izany Izy. Ary maniry hanao izany. Ary ianao ? maniry izany koa ve ?

Tsy manam-potoana tsy hamelana heloka ianao. Satria amin’ny famelanao heloka ihany no hiainanao marina indray !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.