Tsy manam-potoana ho an’ny lasa ianao
“Io no fotoana ratsy indrindra teo amin’ny fiainako”. Tamin’izay fotoana izay dia toy ny maty ianao. Tsy te hiaina intsony.
Rehefa reko niteny izany teny izany aho nandritra ilay resadresaka nataoko farany tamin’ny fahitalavitra kristianina alemanina - ary rehefa niverina nahita ahy tao amin’ilay fandaharana aho- dia tena tsy nahateny indray.
Tamin’io resadresaka io dia niresaka momba ny fanolanana niaretako aho, izay nositranin’Andriamanitra tanteraka. Nefa isaky ny mitantara izany aho dia mbola mikorontana foana, satria mbola maharary ahy ny miverina miaina indray ilay zava-nitranga!
Ny resadresaka toy izao sy ireo fihaonan’ny vehivavy IREO IHANY no fotoana anomezako fotoana ny lasa. Tsy ho renareo mihitsy aho milaza hoe : “Tena naniry aho hanatanteraka zavatra teo amin’ny fiainako, fa izao tsy azo atao intsony izany. Loza be no niainako… tsy azonao an-tsaina izany.”
Tsy io no fitenin’ny lanitra. Miantso anao anio ny lanitra hoe : “Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy..” (Efesiana 5:14b)
-
Mifoha ianao izay matory, midika izany hoe :
“Tsy resin’ny zava-nitranga taminao ianao ! Satria manana lanja lehibe ianao !”
-
Mitsangàna amin’ny maty, midika hoe :
Mitsangàna ! Miaina ! “Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao..” (Eksodosy 15:26)
-
Kristy no ho fahazavanao, midika hoe :
Aza avela intsony ny aloky ny lasa hamaritra anao, fa avelao Jesosy ho fahazavan’ny hoavinao !
Tsy natao ho velona fotsiny ianao, fa ho tafarina, hiaina ny fahagagana, ary hizara izany amin’ny hafa !