• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 18, 2026

Tsy lany laniana

Andro namoahana Nov 18, 2026

Tsy lany laniana

Efa nahita ve ianao na mahalala olona tsy mba mety manana ny onony? Ohatra tsy dia tsara ity omeko ity, ary inoako marimarina fa tsy hanao an'ity ianao. Anatin'ny fanasana iray, mariage ohatra. Dia na efa feno mitafotafo aza ny lovia, dia mbola maka sachet ihany hitondrana mody. Tena mahamenatra 🫢 Indray andro nisy fanasana nalehako fa tena variana aho nahita olona, mitondra tavoahangy plastika hamindrana ilay jus ho entina mody….🙄

Vao aingana isika no niresaka hoe sitrapon'Andriamanitra ianao ho ambinina. Ary fantaro fa afaka mampitombo izay eo aminao Izy. Tsy manampy fotsiny fa mampitombo. Toy ireo mofo dimy sy hazandrano roa (Marka 6:41). Tsy tokony hisy hampanahy anao na hoe hanana ny tsy ampy izany, na amin’inona io na amin’inona. 

Ny Andriamanitrao dia lehibe, ny Andriamanitrao dia mamatsy ary hainy izay ilainao sy tadiavinao. Indraindray ilay izy mety hoe tsy fanahy iniana koa fa tahotra na toe-tsaina mihitsy. Fa mila hihoarantsika ireny ary mila omentsika sehatra ny Fanahy Masina hitarika antsika mba tsy hanala baraka ny anaran’Andriamanitra. 

Fa hoy ny 2 Korintianina 9:8 “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra”

Manasa anao aho hamerina hamaky izany andinin-tsoratra masina izany ary hanokana fotoana hisantsainana izany anio. Ento anaty tonom-bavaka avy eo ary manomboha mahita fa tsy lany laniana ny fahasoavana eo aminao ary ny eo tsy lany ny eo tonga ihany.

Satria…. Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny