🎲 Tsy kisendrasendra ianao!
Mahafinaritra ery izany teny izany! Anio dia hanohy hatrany isika ary hifantoka amin’ity andalan-teny ity izay manao hoe: “Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.” (Jaona 1:11-13).
Hitantsika omaly fa tsy nataon'i Jesosy nanafintohina Azy ny tsy fahafantaran'ny olony Azy, araka ny voalazan’ity andininy ity, ny Azy no tsy nandray Azy. Fantany ny haavon’ny fahajambana ara-panahy nananan’izy ireo ary fantany fa ny Sorona eo amin’ny hazo fijaliana irery ihany no afaka manova tanteraka azy ireo.
Toy izany koa, fantatr'Andriamanitra ny toe-javatra iainantsika ankehitriny, ny tsy fahatanterahantsika ary ny zavatra tokony hovaintsika eo amin’ny fiainantsika... Soa ihany fa na eo aza izany rehetra izany, dia mijery anao amin’ny alalan’ny mason’ny finoana Izy mba hanampy anao hanatanteraka ny drafitra sy izay rehetra nomaniny ho anao.
Izany no mahatonga an’Andriamanitra tsy mifantoka amin'ny toe-piainanao ankehitriny, satria mijery anao amin’ny mason’ny finoana Izy. Fantany ny fonao sy ny anjara nomaniny ho anao, ary fantany izay tokony hatao mba hampahery anao sy hampandrosoana anao eo amin’ny lalan’ny finoana!
Eny, ry namako, Zanany malalany ianao ary tia anao mihoatra lavitra noho izay heverinao Izy.
Ny tena marina dia efa tao am-pony ianao talohan'ny nahariana izao tontolo izao! Tsy kisendrasendra ny fisianao, fa novolavolain’Andriamanitra tsara ianao, ary amin’ny alalan’ny finoanao dia omeny anao ny fahefana mba ho isan'ny iray amin’ireo zanany lahy na zanany vavy.
Misaora Azy amin'ny fo feno fankasitrahana ny Fitiavany sy ny Heriny lehibe eo amin’ny fiainanao. Mino aho fa hisy fiantraikany lalina eo amin'ny fiainanao anio izany!
Fahagagana ianao!