Tsy irery mandrakizay
Tsy irery mandrakizay
Mandalo fotoan-tsarotra ny eran-tany amin’izao ary anisan’izany i Madagasikara.
Tsy ara-ekonomika fotsiny ihany fa na ny toetr’andro, na ny fahasalamana sns…dia toa miharatsy izany daholo. Vao manokatra ny tambanjotra dia vaovao ratsy matetika no ao.
Tato ho ato izao dia niverina indray ny fahatapahan-jiro, mitohy mirongatra ihany koa ny halatra sy ny karazana zavatra tsy mampilamina. Nisy fotoana aho tena hoe tsy te hihaino vaovao intsony fa trano may atsy, vono olona eroa…Mitovy amiko ve ianao?
Kanefa hoy ny Salamo ange amintsika hoe : “...hijery maso fotsiny ianao” (Salamo 91:8) fa tsy hampaninona anao izany (Salamo 91:8).
Tokony tsy hihorohoro isika, tsy hitaintaina na ho be fanahina. Ary raha manenika antsika aza ny tahotra sy ny fitaintainana indraindray dia toherina amin’ny tenin’Andriamanitra avy hatrany.
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao. Josoa 1:9
Isika zanak’Andriamanitra dia tsy mba miady irery izany na miatrika olana irery fa momba antsika lalandava Andriamanitra.
Tsarovy foana izany na aiza na aiza misy anao na inona na inona atrehinao. Ary tsy hoe momba fotsiny Izy fa manoatra noho ny mpandresy ny hanaovany anao. Wow!!!
Eny tokoa…Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕