đ Tsy ianao no olana.

Tsy mampino ny zavatra nataonâi Davida!
Raha fintinina: "Niarahany ny vadin'ny namany, ka dia bevohoka ilay vehivavy, ary satria mbola tao an-tsainy ny heloka nataony, dia novonoiny ny vadinâny ravehivavy." (2 Samoela 11:1-27).
Inona no lazainâny Baiboly momba ny zavatra nataonâi Davida? "Fa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i Davida!" (2 Samoela 11:27) . Saintsaino anie hoe voasoratra hoe " ny nataon'i (ny anaranao) dia tena tsy nahafaly ny Tompo" Oay! Tena maharary izany!
Ho hitanao fa tsy taminâi Davida no nametrahanâAndriamanitra ny hatezerany, fa taminâny fitondran-tenany ihany! Misy fahasamihafana lehibe izany! Aza mino mandrakizay fa tsy tia anao intsony Andriamanitra!
Mety halahelo Izy noho ny fitondran-tenanao, fa araka ny voalaza momba anâi Davida hoe: âJehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony âŠâ (jereo 1 Samoela 13:14 ) - na dia sarotra hinoana eo noho eo aza izany noho ny fahareseny tanteraka, sa tsy izany? Toy izany koa, Andriamanitra hanome anao ny Fahasoavany mandra-pankasitrahany anao indray.
Eo imason'Andriamanitra dia tonga lafatra ianao⊠ny ataonao ihany indraindray no tsy tonga lafatra.
Inona no tokony hataonâi Davida? Miaiky ny fahadisoany. Ary hoy Davida taminâi Natana: âDia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao..â (2 Samoela 12:13).
Aza mandĂ ny tsy fahombiazanao. Lazao ny marina, aza afenina ny tsy fahombiazanao. Eny, maharary izany aminâny voalohany. Eny, mahamenatra. Kanefa, te hanohy hiaina toy izao ataonao ankehitriny izao foana ve ianao? Menatra sy afa-baraka, toy ny hoe misy tongotra iray eo amin'ny âfreinâ, izay manakana anao tsy handroso?
Misafidiana ny hiaiky ny fahotanao, hanaiky ny fanomezam-pahafahana aminâny fangatahana famelan-keloka.
Toy izany indray no hampifalianao anâAndriamanitra!
Fahagagana ianao!

