• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Okt 5, 2025

🕹️ Tsy ianao intsony no mifehy ny toe-draharaha ?

Andro namoahana Okt 5, 2025

Andriamanitra dia te hiara-dalana aminao. Ka aza tezitra raha toa ka asainy miankavia ianao, nefa ny rehetra mandeha miankavanana.

Izany mihitsy no tiako horesahina aminao anio !

Satria, mety manontan-tena koa angamba ianao hoe : nahoana no toa mifanohitra amin’ny an’ny hafa ny zavatra mitranga rehetra amiko ?

Raha toa ka “hafa” ny fiainanao mitaha amin’ny sasany, dia satria Andriamanitra manana drafitra sy fomba “samy hafa” tanteraka noho ny an’ny sasany.

Mora taitra isika rehefa very asa, na hoe voan’ny gripa kely ka mahatonga antsika tsy maintsy hijanona ao an-trano roa herinandro.

Manahy isika rehefa misy finamanana tsy mitovy tampoka intsony amin’ny teo aloha.

Fa ahoana raha efa nokasain’Andriamanitra izany rehetra izany mba hampandroso anao?

Ahoana raha amin’ity fiovana ity mihitsy no itondrany antsika ho any amin’ny toerana tena tiany alehantsika? Ahoana raha “samy hafa” be mihitsy ity làlana ity noho ny an’ny hafa, satria tao aminao no nahitany ilay zavatra tadiaviny tsy hitany amin’ny hafa ? Efa nieritreritra izany ve ianao, ?

“Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy..” (2 Tantara 16.9)

Mitady olona toa anao Andriamanitra ! Olona vonona hanao ny Sitrapony amin’ny fony manontolo. Olona vonona handeha amin’ny làlana hafa, mba hahatratra olona hafa amin’io fomba hafa io.

Mety tiany haseho aminao fotsiny fa misy làlana hafa mihitsy ho anao, làlana hahatonga anao ho faly kokoa amin’ny farany. Te hanala ny fahoriana sy ny alahelo aminao Izy, mba hiainanao ny tena fiainana ! Koa mivoaha amin’ny fatorana, ary raiso ny tena fahafahana !

Azonao ve ny zavatra tian’Andriamanitra nolaizana taminao nandritra izay fotoana ela izay ?

Te hiaraka aminao Izy. Koa aza tezitra raha asainy miankavia ianao, raha ny rehetra kosa mandeha miankavanana.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.