✅ Tsy ho diso fanantenana ianao !

Manasa anao hanohy ilay andininy fototra amin’ity andro vitsivitsy ity, izay milaza hoe: "Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso;" (Habakoka 2:2-3).
Tiako indrindra ny fiteny ampiasain’ity andininy ity, milaza hoe "mikendry ny farany".Andriamanitra dia miasa ao amin’ny fiainantsika ary mampiseho ny fahatanterahan’ny drafitra tonga lafatra amin’ny fotoana voatondro.
Ny marina dia miasa amin’ny fiainantsika amin’ny fahafantarana mialoha ny farany Andriamanitra, satria efa hitany sahady ny vokatra sarobidy ho azontsika raha manohy mandroso amin’ny heriny isika, tsy mihemotra na miankina amin’ny lalan-kafa.
Eny, ho avy ny fotoana hahatanterahan’ilay fahitana izay efa nandrasanao sy notadiavinao nandritra ny taona maro. Ho gaga mihitsy ianao amin’ny fahatongavan’io andro io ! Miasa amin’ny fomba mahagaga tokoa Andriamanitra.
Ary, araka ny voalazan’ny andininy anio, tsy ho diso mihitsy ny drafitr’Andriamanitra. Ilay fahitana efa napetrany ao am-ponao dia manana fiantraikany lehibe ho an’izao tontolo izao, ary izany indrindra no iantsoany anao hanatanteraka izany.
Noho izany, hiezaka hanakana anao amin’ny fomba rehetra ny fahavalo. Indrindra rehefa eo anatin’ilay sitrapon’Andriamanitra tonga lafatra ianao, satria tsy tiany hanana izany fiantraikany sy fahefana izany ianao.
Hiezaka hanisy sakana eo amin’ny lalanao izy, mba hampiala anao amin’ilay fahitana sarobidy omen’Andriamanitra anao. Amin’izay fotoana izay no tsy maintsy ilanao fahendrena, hivavahanao, ary hananana fahaizana mamantatra ireo tetika entiny manodinkodina anao, mba tsy ho voafitaka amin’ny laingany ianao.
Ry namako, manana drafitra mahafinaritra ho an’ny fiainanao ny Tompo. Tadiavo amim-paharetana izany, satria tsy handiso fanantenana anao velively izany!
Ataovy tahaka ny nolazain’ny apostoly Paoly hoe: "Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy." (Filipiana 3:13-14).
👉 Tohizo hatrany amin’ny farany ny dianao ry namako!
Ianao dia Fahagagana!

