🏴☠️ Tsy hahomby aminao ny teti-dratsiny…

Anio, mbola handinika ilay andininy manan-danja iny isika. Tena ilaina io mba hahafahantsika miaina feno ny fandresena izay efa namboarin’i Jeso Kristy ho antsika, amin’ny sehatra rehetra amin’ny fiainantsika.
Mbola mitohy amin’izao teny izao ilay izy hoe: “…fa ny devoly fahavalonareo…” (1 Petera 5:8).
Omaly, nijery ny maha-zava-dehibe ny fiambenana isika, mba tsy ho resin’ny lainga, ny fakam-panahy, ny eritreritra diso, ny fisalasalana ary ny zavatra hafa entin’ny fahavalo hamitahana antsika.
Amin’ity andininy anio ity, dia itantsika mazava kokoa ny tena heviny : izy dia fahavalontsika, izay miezaka hiady amintsika.
Tena ilaina ny mahatakatra ny antony anaovany izany. Raha vao azonao tsara ny tanjony, dia ho mora kokoa aminao ny mamantatra sy manavaka ny tetik’adiny.
Io fahavalo io tsy dia miraharaha loatra hoe voavonjy ianao sa tsia; tsy izay no tena mampanahy azy indrindra. Ny tena tsy tiany dia ny hahatongavanao amin’ny fiantsoana sy drafitr’Andriamanitra ho anao. Satria raha tafiditra amin’izany ianao, dia hisy fiantraikany mivantana amin’ny heriny eto amin’ity tany ity izany.
Andriamanitra dia te-ho feno ao anatinao, mba ho fahazavana ho an’ny maro ianao, ary hitondra ny fanjakany amin’ny toerana rehetra alehanao. Izany indrindra no tsy tian’ny fahavalo hitranga! Izany no mahatonga azy hanao izay hanakanana anao, hanalana baraka anao, hampitahotra anao, ary hanao izay rehetra azony atao mba tsy ho tanteraka ny drafitr’Andriamanitra amin’ny fiainanao.
Ary mazava ho azy, raha azony atao ny manimba anao ka mampivadika anao ho loza ho an’ny hafa, dia vao maika mety aminy izany !
Fa indro ilay vaovao mahafaly: amin’ny Anaran’i Jesosy efa manana fandresena eo aminy isika! Araka ny lazain’ny Baiboly, “fa fantatsika ny hafetseny” (2 Korintiana 2:11), ka afaka miomana sy miambina mba tsy ho lavo. Saingy, tokony hiambina sy hivavaka isika, araka izay hitantsika omaly, mba ho mafy orina amin’ny Fanahy sy ahafahana mamantatra mazava tsara izay rehetra mitranga manohitra antsika.
Ry namako, ao amin’i Kristy, efa nandresy ianao amin’ny tetika rehetra entin’ny fahavalo! Anio, mivavaka aho mba hitoetra tsara amin'ny fihainoana marina ny bitsika sy ny fahatsapana apetrakin'ny Fanahy Masina ao am-ponao ianao. Rehefa mandray toromarika avy Aminy ianao, dia aoka ho vonona hivavaka sy hanao araka izany, ka ho afaka hijoro tsara ao amin’i Kristy ianao.
Fahagagana ianao !

