• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 17, 2026

Tsy azo hozongozonina ve ny finoanao?

Andro namoahana Aog 17, 2026

Fantatsika tsara ny tantaran'i Abrahama sy Isaka! Kanefa, gaga foana aho rehefa mamerina mamaky izany indray!

Ahoana no ahafahan'i Abrahama - nieritreritra fa tsy maintsy hanao sorona ny zanany lahy - miakatra tendrombohitra sady mitondra eo an-damosiny ireo fitaovana izay hamonoana ny zanany lahy ? Ah, tena mihoatra ny fahatakarako izany ! Ary mihoatra noho ny finoako koa ve izany?

Ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamaky isika hoe:

“Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana, dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12). Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.” (Hebreo 11:17-19)

Oay..Tsy azo nozongozonina ny finoan'i Abrahama!

Ary manao ahoana ny finoanao? Tsy misy zavatra eto amin'izao tontolo izao afaka hampihozongozona anao ve? Raha ampitahaina amin'i Abrahama aho dia mbola betsaka ny ezaka tokony hataoko.

Rehefa mieritreritra aho hoe impiry isika no manontany tena hoe: "Nahoana no avelan'Andriamanitra izany?" na koa hoe: “tena avy amin’Andriamanitra tokoa ve izany?”

Izao no vakintsika ao amin’ny Epistily nosoratan’i Jakoba: “Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony “ (Jakoba 1:16-17).

Raha tsorina dia mamela ny tenantsika ho voafitaka matetika isika... satria ny finoantsika dia mora hozongozonina ary manome toerana be loatra ho an’ny fisalasalana isika.

Tiako mba ho lasa tsy azo hozongozonina ny finoako! Na dia mahatsapa ho toy ny mianika tendrombohitra avo aza aho - tahaka an’i Abrahama - amin’ny fahafantarako fa mety hamoy ny zavatra rehetra aho... Fantatro fa ireo nomen’Andriamanitra antsika dia “tsara sy tonga lafatra”; ity lalana sarotra diavina ity dia tsy maintsy ho tsara fiafara!

Aza avela hanaisotra izay tian'Andriamanitra homena anao ny fisalasalanao ! Matokia hatrany !

Tena mampihetsi-po ahy ity tantara ity anio. Tiako hitombo ny finoako ary ho lasa tsy azo hozongozonina. Ianao koa  ve?

Raha toa ahy koa ianao dia andeha hiara-hivavaka: "Tompo ô, omeo finoana izay tsy azo n’iza na iza hozongozonina izahay! Aoka izahay hahatsapa ny fitahiana miafina ao anatin'izany fitokiana tsy manam-petra izany ! Amen."

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.