Tsy araky ny fahitana azy !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tsy araky ny fahitana azy !

Indraindray ny zavatra dia tsy araka ny endriny, ary tsy mifanaraka amin’ny iheverantsika azy.

Azo inoana fa nampatahotra an’i Gideona ny nahita ny tanjaky ny tafikan’ny fahavalo. Tena marina, tsy azony an-tsaina akory anefa ny tahotra tsapan’izy ireo manoloana ny tafik’i Israely sy Gideona. Efa niasa Andriamanitra ! Nanomana ny zava-drehetra ho amin’ny fandresena Izy.

Hoy ny Baiboly : “Ary tamin’izany alina izany dia hoy Jehovah tamin’i Gideona : “Mitsangàna, midina ho any amin’ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io. Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ny toby Pora zatovonao dia ho renao izay lazain’ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ny toby.” (Mpitsara 7:11)

Jereo ny nataon’Andriamanitra :

  • Nampanantena azy fandresena mahagaga Izy, amin’ny alalan’ny Asany.
  • Omeny fanamafisana mivantana sy hita maso izy, mba tsy hisalasalany intsony.

Tena nahavariana tokoa izany ! Fantatr’Andriamanitra tsara hoe iza no hihaona aminy rehefa nidina tany amin’ny tobin’ny fahavalo izy. Ary tamin’io fotoana io indrindra, io olona io dia hiresaka ny nofiny momba ny fandresen’i Gideona, sy ny heviny ! (Mpitsara 7:13-14).

Efa nataon’Andriamanitra ny zavatra rehetra mba handresen-dahatra an’i Gideona ny amin’ny fandresena izay miandry azy, raha toa ka nisafidy ny handeha am-pinoana izy. Anjaran’i Gideona anefa avy eo no manao ny anjarany.

Nisy hevitra teraka tao am-pony, ary tamin-kerim-po no nanomezany aingam-panahy sy nitarihany ireo miaramila 300 ho any amin’ny sahan’ady niaraka tamin’ny fanilo sy siny ary trompetra. Tafavoaka izy ireo, fa ny tafiky ny fahavalo kosa, nihorohoro tanteraka, dia nifamono tao.

Tamin’io andro io no nanomezan’ Andriamanitra  ny iray amin’ireo fandresena goavana indrindra ho an’ny vahoakan’ny Isiraely, tamin’ny fomba araka an’Andriamanitra tanteraka ! Ny fanalahidin’izany rehetra izany dia ny fankatoavan’i Gideona tsotra sy feno.

Ry namako, amin’ny fankatoavanao no ahitana ny fandresena !

Ary ny tsara indrindra anatin’izany dia tsy mba irery ianao : Andriamanitra no mahalala izay tokony hatao sy ny fomba hanatanterahana izany ! Anjarantsika no mampifanaraka ny tenantsika amin’ny sitrapony. Ary ao anatin’izany dingana izany, dia miaraka amintsika Izy, mampahery antsika sy manome fanamafisana, toy ny tamin’i Gideona.

Ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia toa mifanohitra amin’izany aza ny zava-drehetra, dia tena zava-dehibe ! Lavorary ny fahendren’Andriamanitra, ary omeny fandresena isika amin’ny toe-javatra rehetra !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!

*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!