• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 22, 2025

⛓️ Tsy ahy ity fonja ity!

Andro namoahana Jan 22, 2025

“Mahatsiaro tahaka ny vorona ao anaty trano volamena aho.” Izany no hafatra nalefako ho an'ny reniko fony aho tao amin'ny trano lehibe an’ny olon-tiako tamin'izany fotoana izany. Tsy afaka ny ho sambatra aho!

Toa tonga lafatra ny zava-drehetra raha jerena. Nanonofy ny mariazinay any Hawaii aho ary teny an-dalana matetika izahay hamonjy fanasana lehibe, ka mila "vonona" foana aho. Vokatr'izany dia nangataka ahy izy mba tsy hanaiky fampisehoana intsony ary, ny tena marina, mba tsy hanohy ny asa nanendrena ahy intsony : "tsy misy ilana an’izany akory." Tiany hanaraka azy aho. Izy nefa tsy nanana tanjona hafa eo amin’ny fiainana afa-tsy ireo hetsika ataony...

Tsy tonga saina loatra anefa aho fa mbola eo andalam-pitadiavana ny antom-pisiany sy ny hevin’ny fiainany izy, raha toa ka efa fantatro efa hatry ny ela ny ahy. Dia lasa azon-tahotra aho... Nahatsiaro ho voarahona aho ary nahita ny tenako voahidy ao amin’ny fonjany...

Loza lehibe tokoa izany! Tena zava-dehibe ny fitandremanao ireo olona manodidina anao ary ny fametrahanao izao fanontaniana izao foana hoe: “Ireto finamanana ireto ve manakana ahy handroso sa manome elatra ahy?”

Ny namana tsara dia hahita ny tsara ao anatinao mandrakariva, fa ny sakaiza ratsy kosa tsy hahatakatra ny fihevitrao.

Paoly ihany koa dia nahalala izany tranga  izany, ary izany no antony nampahatsiahivany ny olona tamin’ny androny hoe: “Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.” (Galatiana 5.1)

Tsy vazivazy raha maheno foana ianao hoe: “Manana drafitra lehibe ho anao Andriamanitra!” Na dia mieritreritra lalina aza ianao hoe: "Izany foana no lazainy amin'ny olona rehetra!" Marina koa izany! Fa izay mino an’izany sy miaro tena amin’ny fandrika toy izany ihany, toa ahy, no hiaina izany.

Ka izany no hilazako aminao anio :

Aza avela hisy handroba izay tian’Andriamanitra homena anao!”

Mbola averiko foana fa sarobidy ianao! Ilaina ianao, miaraka amin'ny haren'ny fonao, ary miaraka amin'ny fahaiza-manaonao!

Tena tsy azo soloina mihitsy ianao, koa tandremo mba tsy ho ataon’olona ao anaty fonja izay tsy anao ianao

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.