Tsy adinony ianao
Misy fotoana aho rehefa mandray olona dia matetika olona maratra noho ny nataon’ny hafa taminy ny olany. Olana ara-pifandraisana ao am-piasana, ao an-tokantrano, eny amin’ny fiaraha-monina…..Marina tokoa aloha fa tantintsika ihany angamba hoy aho ny hoe tsy ampy ny eo am-pelatanana fa rehefa miampy olana ara-pifandraisana io tena mavesatra. Sa ahoana hoy ianao? Na ny olona no diso na mety ianao koa anefa no nanao fahadisoana fa mandratra izy io raha tsy sitranina aingana.
Izaho rahateo efa nandalo izany ary haiko tsara tahaka ny ahoana ny nambarako tamin’izany hoe : Jesosy a, ity sy ity vitako ihany fa ity iray ity tena tsy tantiko…..Ohatrany tazako Jesosy mitsiky miteny hoe : calme fotsiny ianao anaka ☺️
Nandinika ny natao an’i Josefa aho. Tian’ny rainy izy fa halan’ny rahalahiny fatratra ary niafara tamin’ny famarotana azy ho andevo moa izany. Tonga tany indray dia nahita asa ihany fa nadalain’ilay vadin’ny mpampiasa azy indray izy dia voatery niala teo….ary nigadra. Enjana ihany izany an!!! Tany indray izy nanampy olona fa raha mba nanafatra izy hoe rehefa tafavoaka ianao dia tsarovy aho fa e e e….adinon’ilay olona elaela izy - roa taona be izao moa - ambara-pitrangan’ny fotoana izay azo lazaina hoe fotoan’Andriamanitra.
Fa mialohan’izay, iza isika no tsy efa niaina izany na hoe ampahany amin’ireo? Halan’ny olona tsy ahoana tsy ahoana eo….hamoronan’ny olona lainga handavoana anao…..nanao soa fa dia adinon’ny olona ny natao….
Fa hoy ny teny : “Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.” Genesisy 39:21 sy “...satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.” (and 23 b). Taiza io? Tao am-ponja.
Rehefa mitoetra mahatoky ianao, ary tsy mifantoka amin’ny hoe valifaty na mitady tombontsoa manokana dia momba anao sy manambina ny ataonao Jehovah. Eny fa na any amin’ny toerana mety heverinao fa tena “maizina” aza, toerana toy ny hoe tsy ahitana lalana hivoahana.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕