• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 20, 2024

⚖️ Tsara sa ratsy ?

Andro namoahana Jon 20, 2024

 

Raha apetrakao eo ambonin'ny mizana ny zavatra tsara sy ratsy fanaonao, dia inona no mavesa-danja kokoa ?

Indraindray, tsy tsapantsika akory hoe miezaka manamarin-tena amin'ny fahalementsika isika,  ho setrin'ny zavatra tsara rehetra ataontsika.

Izao no lazain'ny Baiboly anefa : “mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.” (Romana 12:9).

Jereo ny fampiasana  ny teny hoe : “fankahalana” eto. Nodidiana isika handà sy hanaisotra ny ratsy rehetra. Fantatrao ve ny antony ? Satria ny ratsy dia avy amin'ny ratsy, avy amin'ny fahavalo.

Isaky ny misafidy ny hanao zavatra na mamela toe-javatra izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia toy ny hoe mampifanaraka ny tenantsika amin’ny haizina ary manome vahana ny fahavalo hiditra eo amin’ny fiainantsika.

Eny, indraindray ny toetrantsika maha-olombelona dia misintona antsika hiverina amin’ireo zava-dratsy tamin’ny lasantsika. Tena ady anaty io ! Ambonin’izany, dia manohy manao toy izao ilay andinin-teny : “Aza mety ho resin’ny ratsy ianao. Fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” (Romana 12:21). Ahoana no handresena ny ratsy ? Amin'ny fanarahana izay tsara.

Ny tena marina, rehefa manaraka ny tsara ianao dia Ilay tena hiavian' ny soa no arahanao. Ary ahoana no ahafahanao manaraka Azy ? Rehefa mandray fanapahan-kevitra tsikelikely ianao, isan’andro isan'andro, dia ny fifandraisanao amin’Andriamanitra no tonga hery manosika anao hisafidy amin’ny Fahendreny, mandra-pahazoanao fandresena tanteraka amin’ny haizina.

Ry namako, misafidiana anio hanara-dia an’i Jesosy amin’ny fanapahan-kevitra rehetra, amin’ny dingana rehetra ataonao. Izany dia hanampy anao hiala amin'ny ratsy ary handroso amin-kery mankany amin'ny tanjona.

Manana fo sarobidy ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.