• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VN Vietnamese
Andro namoahana Nov 21, 2026

Tsara fototra đź’Ş

Andro namoahana Nov 21, 2026

Tsara fototra đź’Ş

Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefĂ  be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. 1 Korintianina 15:58

Fampaherezana ireo mpiara-mihazakazaka ao amin’ny Tompo io andininy io. Anisany fizara rehefa mandalo ady iny ohatra dia kinga ery isika miteny hoe “ tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina rahalahy aaaa!” Ary tsoriko aminao fa tena marina dia marina tokoa izany. 

Nisy fotoana aho tena tsapako hoe nikely aina fatratra tanaty fanompoana. Nahavita nandeha dia tongotra lavitra be, nifady hanina, nanampy arak’izay tratrako ireo madiniky ny Tompo. Tsy nitaky tambiny aho tamin’izany fa nataoko satria nahatsiaro tsy maty antoka aho fa feno fifaliana aza. Anisany fototra tena nammpirehitr’ahy hatramin’izao izany.

Io andininy io dia tena mampahery ahy satria haiko fa tsy foana tsy akory ny fikelezako aina ao amin’ny Tompo. 

Ankehitriny tokoa dia mitantana ny Association Le Miracle Malagasy aho (https://www.facebook.com/LeMiracleMalagasy ) izay sady mitory ny Filazantsara no manampy ireo marefo ihany koa. Tsy foana ny fikelezako aina tamin’izany satria nanomana ahy amin’ny sehatra lehibe kokoa ny Tompo. Ny olona mety nahita hoe nanaonao foana aho, lany andro sns…fa rehefa natao tam-pitiavana dia ankehitriny hiainako mihitsy ny hoe “tsy foana tsy akory ny fikelezako aina!”

Misy fotoana tokoa reraka, noana, na misedra zavatra maro fa nefa tsy namotsitra na niverin-dalana. Tsy niova aho, miezaka miorina tsara hatrany ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. 

Anio koa aho manentana anao, mety misy nofinofy tianao ho tanterahina fa miorena tsara ry namako malala, aza miova ary omeo ny tsara indrindra avy aminao foana ny Tompo fa ho hitanao fa tsy foana tsy akory io fikelezanao aina io. Tahiana manokana ianao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny