🧔🏻♀️ Toy ny ahoana ny fahitanao an'i Jesosy?

Mahafantatra ireo sary mahazatra aseho antsika momba an’i Jesosy ve ianao? Miaraka amin'ilay endrika tsotra kely sady feno fitiavana?
Raha manontany anao aho hoe toy ny ahoana ny fahitanao an'i Jesosy, ahoana no havalinao izany?
Satria ny fomba fahitanao Azy dia misy akony lehibe eo amin’ny izay hinoanao!
Ny fanoharana momba an'i Jesosy dia tsy ilay sarin'olona mitsiky aminao fotsiny ihany fa tena ambony lavitra noho izany . Izy Ilay nilaza tamim-pahasahiana hoe: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Jereo ny Matio 28.18)
Eny, be fitiavana Jesosy. Kanefa tena feno hery koa Izy! Izay adinontsika matetika, satria rehefa misy manjo antsika ihany isika no te hotiavina. Tsy te-hampionona anao fotsiny anefa i Jesosy, fa te hampiseho ny heriny koa Izy ka hanafaka anao amin’ny olana mianjady aminao!
Tamin'ny alalan'ny kasika fotsiny no nanasitranan' i Jesosy ny rafozambavin’i Petera! (Matio 8.14-15).
Tamin'ny teny tokana no nanafahan'i Jesosy ireo demoniaka anakiroa (jereo ny Matio 8:32). Rehefa hitan'i Jesosy fa nanomboka nanao raharaham-barotra tao amin’ny tempoly ny olona, “dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby,” (Jaona 2.15)
Nosamborina tao amin’ny zaridainan’i Getsemane Izy ary na dia nisy iray tamin'ireo mpianany aza niezaka niaro Azy, ka nanapaka ny sofin’ilay miaramila , dia namaly tamin’ny fomba hentitra Jesosy nanao hoe: "Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin'ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin'ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? "(Matio 26:53)
Jesosy , tsy hoe mahatsapa ny alahelonao fotsiny ihany. Fa Izy koa no miady ho anao, miaro anao, ary afaka manasitrana anao amin'ny alalan'ny teny tokana aloaky ny vavany Izy!
Te-hanolo ilay sarin'i Jesosy anananao aho. Satria Jesosy dia maneho hery, fahatokiana ary fahefana! Feno fitiavana loatra Jesosy ka vitany ny nanombo ny Tenany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho anao!
"Afaka nanavotra ny ainy tamin’ny teny tokana monja Izy. Fa nanolotra izany ho anao: "dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita." (Apokalypsy 1:18)
Maty ho anao io Jesosy mahery io! Namana tena tia anao Izy, miaro ary mamonjy anao!
Fahagagana ianao!

