• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 3, 2025

🏁 Toy izao no nanombohan'izany rehetra izany!

Andro namoahana Jon 3, 2025

Efa nivavaka tamin’Andriamanitra ve ianao androany?

Miala tsiny fa somary mivantana ilay fanontaniako.

Fa tena efa niresaka tamin’Andriamanitra marina ve ianao androany?

Tao anatin’ny roa herinandro nijanonako teo am-pandriana noho ny antony ara-pahasalamana , tanaty faharerahana sy kely hery tanteraka, dia faly aho tamin’io maraina io rehefa nahatsapa hery kely amin’izay. Nitsambikina avy teo am-pandriana aho mba handamina ireo asa maro tsy vita.

Hoy aho tan’eritreritra: “Ray î, raha mba fantatrao hoe firy ny asa miandry ahy, mila vitaiko maika izy ireny”, ary vao saika hanomboka mihitsy aho dia tonga saina tampoka fa, na dia teo aza ny havizanana tao anatin’ny tapa-bolana lasa, dia nahita fotoana nitalahoana tamin’Andriamanitra foana aho mba hanasitrana ahy!

Endrey izany fahatsaran’Andriamanitra
 Mino aho fa tonga dia azonao ny tiako ambara


Amin’ny maha olombelona antsika dia matetika isika manao zavatra toy izany. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fampahatsiahivana antsika tsy tapaka fa Andriamanitra dia tsy “juke-box” izay ametrahanao vola madinika fotsiny sy hilazana ny fanirianao. 

Raha tianao, Andriamanitra dia ilay namana mahatoky indrindra sy akaiky indrindra amin’ny fiainana - ary  te-hanome anao ny zava-drehetra Izy - amin'ny fananana fifandraisana akaiky aminao!

Averiko indray: Andriamanitra no akaiky anao indrindra eto amin’ity fiainana ity, ary tiany homena anao ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny fifandraisanao Aminy!

Eny, tsy nisy feo aho nandritra ny herinandro. Andro vitsivitsy mialohan’ny fotoana tokony hihirako, dia niharitra nivavaka izaho sy ireo ekipa mpiara-mivavaka ary ireo mpikarakara : ary niseho ny fahagagana!

Nositranin'Andriamanitra ara-potoana aho... niaina ny fahatsaran'Andriamanitra indray aho! Eny tokoa, Andriamanitra dia te-haneho lalandava ny Heriny, ary hanao zavatra eo amin’ny fiainanao isan’andro, fa tsy amin’izay manahirana anao ihany! Ary amin’ny fomba mahagaga izany
..

Andeha isika hangetaheta hiresaka amin'Andriamanitra, ary hahita ny Asany eo amin’ny fiainantsika!

Tianao ve, anio, rahampitso, afak’ampitso... isan'andro isan’andro, hanokana fotoana hanorina fifandraisana amin'Ilay te ho tonga namana akaiky anao indrindra? 

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.