• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 6, 2026

Tovozy amin'izao…

Andro namoahana Okt 6, 2026

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia tany Kana, nandritry ny fampakaram-bady iray. Nanova ny rano ho divay Izy ary tsy divay tsotsotra fa tena tsara ka nampiaiky ny olona nasaina mihitsy. 

Zavatra roa no hitarihan’ny Fanahy Masina ho avoitra anio handraisantsika fampaherezana:

  • Jaona 2:5: “Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo”. Misy iraka asain’ny Tompo ataonao, izay manosika ny fahagagana hitranga dia ny fankatoavanao. Mety zavatra efa hainao, mety zava-baovao mihitsy fa ataovy fotsiny izay asainy ataonao. Nisy mpanompon’Andriamanitra nizara hoe nisy vehivavy tonga teo aminy nangataka asa dia hoy ny Fanahy Masina tamin’ny alalany hoe : “Mivarota voanjo sy mangahazo aloha”- Mety tsy izay loatra no nandrasan’ity vehivavy ity fa nankatoa izy ary taty aoriana dia tena nivadika ho toeram-pisakafoanana lehibe no tantanany. 

  • Jaona 2:7-8 : “Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.” Afaka nandà izy ireo hoe ho afabaraka amin’izany fa divay no tediavina koa rano no haroso, sady sao hamparary kibo eo sns sns….Inona tokoa re no mety navalintsika teo e? 🤭 Fa dia nataon’izy ireo ary nitranga ny fahagagana. 

Tamin’ny fotoana ahoana ny rano no niova ho divay? Tamin’ny fotoana nino ny Teny sy nankatoa izany ireo mpanompo. 

Anio, inona ny Teny efa voarainao? Efa nisaintsaina sy nandetika izany tam-ponao ve ianao ka mino fa ho tanterahin’Andriamanitra izany? Mety tsy arak’izay eritreretinao ny valiny azonao aloha fa ataovy ihany izay asainy atao fa ny fonao mankatoa no lakilen’ny fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanao. Aleloia!

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny