Andro namoahana Des 16, 2022
Tontolo andro iray tsy misy fitarainana ?
Andro namoahana Des 16, 2022
Vonona ve ianao raha anandrana ny tsy hitaraina mihitsy isika anio ? Manomboka anio moa izany…Handeha hampiharintsika ity andinin-tsoratra masina ity hoe : “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29)Izany hoe teny fankasitrahana ho an’ilay Raintsika any an-danitra sy teny mampahery fotsiny ho an’ireo mifanena amintsika no holazaintsika. Eny e, afaka tsy miteny ianao fa mitsiky kosa ohatra…Handeha hovaintsika ho tontolo andron’ny fahagagana ity anio ity !!! Ianao no ho tonga fahagagana eo amin’ny fiainan’ny hafa !Misaotra fa misy ianao !
