Tongasoa an-danitra!
Anio dia te hijery miaraka aminao fahamarinana izay matetika tsy tazana loatra.
Ny Apostoly Jaona dia nandray ny fanambaran’ny Apokalypsy ary toy izao ny fanazavany ny fahitàna hitany: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.” (Apokalypsy 4:1).
Ie, nisy varavarana nivoha hiakarana any an-danitra ahafana niaina sy nahita ny tontolo tao. Tahaka izany koa isika dia nasaina hiditra ao amin’ny “toerana masina” an-kalalahana (Hebreo 10:19) hiseho eo anoloan’Andriamanitra amin’ny fo misokatra, marina sy maniry ny ho eo Anilany.
Mety mieritreritra ianao hoe mikatona ho anao ilay varavarana fa tsy izany anefa. Ezahin’ny fahavalo ny milaza karazana lainga ao anatin’ny fanahintsika mba hanalavirantsika an’Andriamanitra, fa mazava io andininy novakiantsika io. Hoy izy hoe afaka miditra malalaka eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ianao.
Tongasoa an-danitra! Tia anao lalina Andriamanitra ka nosokafany midanadana ho anao ny varavaran’ny Lanitra. Miandry anao hiditra Izy hanondrahany anao ny Fanatrehany, ny Voninahiny sy ny Fitahiany. Tsy misy afaka ampitahaina amin’izany fiarahana Aminy izany ary tsy misy manalavitra anao Aminy!
otoana eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Mandefasa fiderana malefaka, sokafy Aminy ny fonao amin’ny fanaborahanao izay ao am-ponao ary ambarao ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.
Ataovy tranonao ny tranony anio ary mandrakizay.