Tonga ny fotoana hilazana ny marina !
Tsy aiko hoe toy ny ahoana ny karazana fitsapana mety natrehinao tato ho ato, fa mba te hamporisika anao aho amin’ny alalan’ity andininy ity manao hoe :
“dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” ( 1 Korintiana 3:13 )
Nandritra ireo fitsapana sy toe-javatra sarotra nolalovanao, moa ve mba afaka nanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao ?
Ao anatin’ny fotoan-tsarotra no tena ahitantsika izay ao am-pontsika.
Amin’ireny fotoana ireny ihany koa no ahatsapantsika ny tena zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika.
Tsy mandefa fisedrana antsika Andriamanitra mba hahitany marina hoe iza isika, satria efa fantany izany : Eny, mahafantatra anao mihoatra noho ny olon-drehetra Izy.
Amin’ireny fotoana ireny dia tsy takatry ny saintsika ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra izay mamadika tanteraka ny paikadin’ny fahavalo.
Rehefa miezaka mafy hanimba antsika ny fahavalo, dia ovain’Andriamanitra ho fahafahana hahitantsika ny tena maha izy antsika ireny paikadin’ny fahavalo ireny.
Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika antsika mba “hifaly indrindra rehefa tojo fitsapana samy hafa” (araka ny Jakoba 1:2), satria mamela antsika “hahatsapa” ny toe-javatra hiainantsika ankehitriny izany, sy hanitsy izay tsy mety amin’ny hoavy.
Eny, ry namako, ovain’Andriamanitra ho afo masina ny afon’ny fitsapana. Io afo io no manadio antsika amin’ny fahalotoana rehetra ety amin’ity tontolo ity (1 Korintiana 3:12) ary manampy antsika hanorina amin’ny voninahitra ny fiainana mandrakizay.