Tonga eo amin’ny fiainanao ny orana !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tonga eo amin’ny fiainanao ny orana !

Tia zaridaina ve ianao ? Mamiko loatra rehefa iny aho mitsangantsangana eny an-dalana ka mahita zaridaina voakarakara tsara !
Tiako ny zava-maniry, saingy hatramin’izao dia tsy maintsy ekeko fa tsy dia mahay mamelona azy ireny aho. Isaky ny miezaka manana iray aho ao an-trano dia adinoko ny manondraka azy, ajanoko any ivelany izy raha tokony natao tao anatiny, sns. Mitovy hatrany amin’ny ankapobeny ny vokatra : zava-maniry malazo, efa ho faty.Soa ihany fa eo foana ny vadiko manavotra azy rehetra. Ny tsiambaratelony ? Mitandrina, ary indrindra mitady ireo torohevitra tsara indrindra ao amin’ny aterineto et mampihatra azy ireny ho an’ny zava-maniry tsirairay.
Tsy maintsy manaraka ireo torolalana omen’ny Tompo antsika isika raha te hiroborobo. Izany no lazain’ny Baiboly : “Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ny olona iasana ary dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra” (Hebreo 6:7)
Manondraka ny fiainanao isan’andro Andriamanitra amin’ny oram-pitahiana ary manodidina anao amin’ny Fampanantenany sy ny Fitahiany. Ny fanontaniana dia hoe : “Voaasa ve ny tanin’ny fonao ? Moa ve ianao mitandrina tsara amin’ny fankatoavana ny toromarika omeny anao ?”
Ny fankatoavana dia fanalahidy lehibe amin’ny fiainana maha kristianina, izay manokatra ireo varavaran’ny fitahiana eo amin’ny fiainanao. Ambonin’izay dia tsy irery ianao ! Miaraka aminao Jesosy manoro hevitra anao ary mitarika anao amin’izay lalana tokony halehanao. Tiany ho tondraka fiainana sy fitahiana ny zaridainan’ny fiainanao.
Ndeha hiaraka hivavaka isika : « Tompo o ! mangataka Anao aho hanampy ahy hihaino ny feonao sy hanaraka ireo toromarika omenao isan’andro. Te hampifaly Anao aho, hankato Anao amin’ny zavatra rehetra ary hahita ny Asanao ato amiko. Misaotra amin’ny Fitiavanao sy ny Fikarakaranao ahy. Misaotra amin’ireo Fitahianao eo amin’ny fiainako. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!