• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Nov 12, 2026

Tompon’ny filaminana

Andro namoahana Nov 12, 2026

Tompon’ny filaminana

Rehefa anaty tontolo mikorotana ianao no manao zavatra iray dia ho toy izay koa ny vokatra ho azo eo. 

Tsy efa mba nandeha tamin'ny toerana iray ve ianao, feno voninkazo nahafinaritra sy bozaka maitso maivana? Inoako fa nahatsiaro fitoniana ianao. Sa ahoana?

Ity iray ity dia mampihomehy ahy kely, indrindra ho antsika vehivavy. Rehefa milamina be ny ao amin’ny fampirimana akanjo dia na ny firesaka aza milamina toy izay koa, mora hita Ilay tiana hanaovana. Fa raha vao mikorontana ny ao dia izao foana no voalaza hoe: “tsy manana akanjo aho, tsy hitako izay hanaovana” …marina vé? Ie, izaho aloha dia nanao toy izay, sady mahasorena be mijery ilay izy ka raha vao mitady hikorotana dia hampirimiko aingana 😁

Mety zavatra kely fa ny fiainana andavanandro mihitsy no hampiharantsika ny Tenin'Andriamanitra ange eee….Hoy indrindra Izy ao amin'ny Ohabolana 20:18 hoe “... Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.” 

Tsy tabataba, tsy korontana, tsy loha be na fahatsapana fa fahaizana mandamina. 

Mila mahay mandrindra ny tontolo andronao ianao ohatra. Mila mandamina ny vina fohy ezaka sy lavitra ezaka, dia soraty satria hoy ny Baiboly hoe “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza” Habakoka 2:2

Vitanao io. 

Satria….Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny