👣 Tokony miroboka anaty rano ianao

Ianao koa ve tsy mba maniry ny hiaina fotoana filaminana? Alaivo sary an-tsaina vetivety hoe tsy misy vaovao ratsy ho renao mandritra ny telo herinandro ho avy. Tsy misy velively na iray aza! Nofinofy, sa tsy izany?
Saingy indrisy, tsy mba izany ny zava-misy! Vao andro vitsivitsy monja izay, teo am-piresahana tamin’ny namako aho, hoy izy tamiko : “Mahavariana mihitsy fa ny volana vitsivitsy lasa teo toa feno fahombiazana, avy eo nefa nanomboka omaly dia tonga tsikelikely ny vaovao ratsy isan-karazany… izay miantso rehetra dia olana vaovao daholo.”
Mety efa niaina izany koa ianao… Izaho koa tamin’io andro io dia nahatsapa tanteraka ny tsapan’ny namako. Vaovao ratsy mifandimby, tsy misy antony manokana. Avy hatrany dia nosokafako ny Baiboly ka nijanona teo amin’ny Salamo 27:5 aho, hoy David hoe :
“Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.” (Salamo 27:5)
Misy dikan-teny hafa manazava azy bebe kokoa :
“Koa raha tonga ny andro mahory, dia hafeniny ao an’efitra fialofany aho sy hampiereny tokoa ao an-dainy; eny, hasandrany ambony vatolampy aho.” (Salamo 27:5) DIEM
Koa afaka milamin-tsaina ianao!
Indraindray koa ve ianao mba maniry ny hisinda vetivety any amina toerana izay tsy azon’iza na iza helingelenina ry namako? Mety tsy mba ho tanteraka mihitsy izany, satria ny zanakao mety mila anao lalandava, na koa mameno ny fotoananao loatra ny asanao. Mety hoe mikarakara olona marary ao amin’ny fianakaviana ianao ka tsy maintsy eo anilany foana 24 ora amin’ny 24 ora.
Saingy voalaza eto hoe :”Izy no handray an-tanana anao amin’ny andro sarotra… eny fa na rehefa mialoka Aminy aza.” Tokana ihany ny toerana hilaminanao, dia ilay toerana hamantaranao ny tenanao.
Izay “toerana” izay dia hitanao eo Anilany. Amin’ny alalan’ny vavaka. Rehefa mialoka tanteraka amin’ny Fanatrehany. Azonao atao izany rehefa mifikitra amin’ny ziponao ireo zanakao, na koa rehefa manery anao ny lehibenao ka mahatonga anao hino fa : “Tsy hahomby mihitsy aho.”
Meteza hiroboka anatin’ilay fiarovana atolony anao : Manatona an’i Jesosy. Eo amin’ny toerana misy anao ihany. Ary iaino izay azony tanterahina rehetra, dieny izao!
Fahagagana ianao!

