Tohero ny devoly

Betsaka ny fakam-panahy amin’izao. Vao mifoha maraina dia voasarika hijery finday isika, hikarokaroka ao amin’ny Facebook …Maro ny mangalatra asesiky ny fahantrana, misy koa anefa entin’ny filàna ara-nofo fotsiny dia lasa mandrava tokantrano… Ny ao amin’ny Internet feno zavatra mamoafady ka na kely na lehibe dia voasarika hijery eo ary matetika tsy mahita ora mandeha fa tena variana eo: teraka avy eo ny fanolanana, ny famonoan’olona sns….
Aty amin’ny andro farany mialoha ny hiavin’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra isika izao. Vanim-potoana tena hain’ny devoly loatra satria manakaiky ny faharavany ka manao izay afany izy hisintonana ny maro ho any aminy. Fotoana tena mila fahalinana ara-panahy izao, fotoana hitandremana ny amin’ny ataonao, ny olona hifaneraseranao, ny saininao…
“Ka dia maneke an Andriamanitra. ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7)
Misy miteny hoe enjana be ilay devoly fa izao sy izao…. Tsia!!! Fahavalo efa resy iny, mila isika tonga saina amin’izay. Hoy ny Galatiana 2:20 hoe :” Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko”, ilay Kristy naharesy ny fahafatesana, Ilay Kristy nanangana ny maty, Ilay Kristy nampahiratra ny jamba… Izy no velona ao anatinao. Tsy misy famosaviana, na aretina, na fahafatesana afaka hanakaiky ny lainao, Tohero ny devoly, izany hoe aza manaiky ny lainga afafiny, ny fakam-panahy tiany handavoana anao…ary rehefa voatohitrao izy dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny handositra anao.
Ekeo, hankatoavy izay lazain’Andriamanitra tokony ataonao eo amin’ny fiainanao. Tsy mitaky volabe, na diplaoma, na hatsaran-tarehy, na firavaka sy akanjo lafo vidy Andriamanitra fa ny fonao feno fankatoavana Azy ihany.
Tahiana manokana ianao!

