🥳 Tohero! Efa an-dalana ny fandresena

Miditra amin'ny ampahany goavana indrindra amin'ity andian-dahatsoratra ity isika, dia ilay fanalahidy hanampy anao hiaina fandresena izay tena miharihary ka hahafahanao manapa-kevitra hanohitra izay rehetra ataon’ilay fahavalo ara-panahy anao.
Araka ny tenin’Andriamanitra noresahintsika tamin'ity herinandro ity, ny fahavalo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. Rehefa avy nanazava izany ny Apostoly Petera dia izao no baiko navelany “tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo” (I Petera 5:9)
Araka ny efa hitantsika, ny herin’ny fahavalo dia ao amin'ny “feony”, ao amin'ny laingany izay ezahiny hamitahana antsika. Ny fahavalo dia mitady mandrakariva izay hinoantsika ireo hevi-diso tahaka ny hoe :
-
“Tsy mihaino ahy Andriamanitra”
-
“Tsy mety mahomby aho”
-
“Tsy ho sitrana mihitsy ny aretiko”
-
“Tsy ampy ny fahazotoako”
-
“Tsy hilamina mihitsy ny zavatra rehetra ataoko…”
-
Sy ireo lainga maro hafa tahaka izany
Raha vao mino izany lainga rehetra izany isika dia lasa tanteraka tsikelikely ao amin'ny fanahitsika izany. Aza adinoina fa mifanohitra tanteraka amin'izany ny fampanantenana ao amin'ny tenin'Andriamanitra!
Miha-mitombo hery ianao rehefa manomboka miaina izay teny fikasan’Andriamanitra ka manohitra izay rehetra laingan’ny fahavalo :
-
Hoy ny fahavalo hoe tsy mihaino anao Andriamanitra? Hoy ny Teny hoe momba anao mandrakariva Izy (Matio 28:20) ary mihaino ny fitarainanao (Jeremia 33:3)
-
Hoy izy hoe tsy mety mahomby ianao? Hoy Andriamanitra hoe manoatra noho ny mpandresy ianao amin'ny alalan'i Jesosy, amin'ny lafiny REHETRA, fa tsy amin'ny lafiny sasany fotsiny (Romana 8:37)
-
Hoy ny mpanendrikendrika fa tsy ho sitrana mihitsy ny aretinao? Milaza ny Baiboly fa ny dian-kapoka tamin’i Jesosy no nahasitranana antsika, efa sitrana isika (Romana 8:37)
Tahaka izany indrindra izay hevi-diso sy lainga ampiasain’ny fahavalo aminao! Rehefa toherinao amin'ny fahamarinan’ny tenin'Andriamanitra ireo lainga ireo dia lasa miaina fandresen’Andriamanitra ianao amin'ny fiainanao, ka ho sorena ny fahavalo! Milaza ihany koa ny Baiboly hoe “Ka dia maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7)
Ry namako, tohero amin'ny alalan'ny fahamarinan'Andriamanitra ny devoly! Tsy handaitra velively ny lainga rehefa manana toetra hentitra sy feno fahavononana ianao.
Fahagagana ianao!

