• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 26, 2025

🛡️ Tohero!

Andro namoahana Jon 26, 2025

Anatin’ny “ady tsaran’ny finoana”, ny fiadiana fototra ampiasain’ny fahavalo dia ny lainga.

Antsoina koa hoe “Rain’ny lainga” ny devoly, ary amin’ny alalan’ny fitaka ataony dia te hamboly ny tsy finoana ao anatintsika hatrany izy. Tetik’ady efa fahiny be izany : raha ny marina dia i Eva no nanandrana izany fomba fiadiny izany voalohany. Rehefa niresaka taminy izy, dia nanomboka nampiditra tsikelikely ny tsy finoana tao am-pony ilay fahavalo, avy eo dia namporisika azy mba hieritreritra hoe namitaka azy ireo Andriamanitra. Tamin’ny lainga dia resiny lahatra izy tsy hankatoa an’Andriamanitra.

Ilay fahavalo koa dia hiezaka handresy lahatra anao, ohatra, mba hino fa :

  • Nilaozan’Andriamanitra ianao,

  • Tsy hamonjy anao Andriamanitra amin’ity indray mitoraka ity,

  • Maivan-doha ianao,

  • Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny eo amin’ny fiainanao,

  • Ho fatin’ny aretina izay tena mampatahotra anao ianao

  • Ho tsinontsinona ianao eo amin’ny fiainana…

Raha maharesy lahatra anao ny fahavalo, dia efa resiny ianao! Tahaka an’i Eva izay nino azy, raha vao mino azy ianao, dia efa voasonia ny fanamelohanao.

Saingy izao, ry namako, raha mahatohitra ny laingany ianao, rehefa lavinao an-kitsirano amin'ny alalan’ny Fahamarinan’Andriamanitra izany dia izay no fandresenao! Hoy ny Baiboly : “ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Eny, rehefa manohitra ny laingany ianao ka miatrika izany amin'ny fahamarinana, dia handositra ilay fahavalo!

Ry namako, anio no andro tsy maintsy iatrehanao ny lainga ataon’ny fahavalo eo amin'ny fiainanao. Anio no andro hisitrahana ireo fampanantenan’Andriamanitra, ka hanononana izany am-pinoana eo amin'ny fiainanao, tsy misy fisalasalana. Ny fiadiana tsara indrindra azonao ampiasaina anatin’ny ady dia finoana tsy voahozongozona!

Noharian’Andriamanitra ianao mba hamiratra!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.