Toa an'i Kristy…..
Anisan’ny zavatra tsy dia tian’ny maro loatra ny fehezina. Rehefa any an-tsekoly ohatra na any am-piasana ka raha tara dia misy sazy mifandraika amin’izay ary vitsy ireo izay miaiky fa ny hakabeazany dia mimenomenona na mitaraina aza nefa izy no diso… Mampalaelo hoe efa misy soratra eo hoe tsy azo anaovana maloto fa tena eo mihitsy ilay olona no manao izany….. Enga anie tsy ho ianao izany. Toe-tsaina sy fitaizana io.
Ao am-piangonana koa, tahaka ny hiainantsika eny amin’ny fiaraha-monina eny dia misy ny fitsipika tokony arahina. Samy manana ny azy moa fa isika dia tokony manana fitsipi-pitondran-tena ka iny ihany koa no entintsika eny amin’ny manodidina rehetra misy antsika ahafantaran’ny olona fa Kristianina iny olona iny. Indrisy anefa fa dia maro no tsy manaraka an’izay ka mahatonga ny hafa hanaratsy ny anaran’Andriamanitra hoe : “Izao ve no mba kristianina!” —-Tsarovy lalandava fa ny fototenin’ny hoe Kristianina ange ka Kristy eeee…..
Anisan’ny hafatra napetrak’i Jesosy ny hoe : “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35)
-
Ny tia dia manadino ny momba anao fa mihevitra ny hafa toa an’i Kristy.
-
Ny tia dia mahafoy toa an’i Kristy.
-
Ny tia dia mamela heloka toa an’i Kristy, eny na dia narary aza ny nataon’ny hafa.
-
Ny tia dia manome ny tsara hatrany toa an’i Kristy.
-
Ny tia dia mamaly soa ny ratsy toa an’i Kristy.
Maro ny afaka ambara fa santionany ihany ireo.
Anio dia handeha isika haka fotoana handinihina hoe fantatry ny olona rehetra ve aho hoe mpianatra tokoa? Fitsipika tsotra no nomeny fa tsoriko fa misy fotoana tena sarotra tanterahina indrindra raha naratra ianao. Kanefa i Kristy dia namela, eny na ireo nandrora sy namono Azy aza nanao hoe : “Ray o, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Handeha hangataka ny famelan-keloka sy ny fanampian’ny Fanahy Masina isika hanahafantsika an’i Kristy tokoa.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕