⏰ Tic tac… mandeha ny fotoana!
Tsy mampaninona anao ve hoe tsy mbola manambady foana ianao? Indrindra amin’izao toerana misy anao izao?Arakaraky ny hitomboan’ny taona no hiverinan’izany fanontaniana izany matetika amiko.
Ary manontany tena foana aho hoe inona no tokony havaliako izany ? Satria raha ny marina dia tena mahatsiaro sambatra aho amin’ izao toerana misy ahy izao. Eny, faly aho satria afaka manompo an’Andriamanitra, mahita ny fitahiana marobe omeny olona maro ary afaka manankina ny hoaviko eo an-Tanany aho! Tena hoe Matoky azy TANTERAKA!
Ary na dia mitondra fiantraikany eo amin’ny fiainanao aza aho dia izaho koa dia mba manana Mpitarika izay hataoko fitaratra. Raisiko ohatra i Abrahama! Mahafinaritra ahy ny toetrany! Fantatrao ve izay voasoratra momba azy?
“Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino” (Romana 4:18) Toy izany ny hiainako , ary tiako hiainana mandrakizay!
Nahoana aho no hanenina izay tsy ampy eo amin’ny fiainako rehefa mbola afaka mifaly amin’izay rehetra ananako?
Ny olona mihevitra hoe: “Tic tac.. Mandeha ny fotoana anie e”
Fa Andriamanitra miteny aminao hoe: “Tsy hisy zavatra tsy voafehy eo Imasony”
Tahaka ny namelany an’i Zakaria sy ny vadiny hahazo taranaka na dia efa tao anatin’ny fahanterana aza (vakio Lioka 1:11-15) , ho hitanao fa mihazakazaka be ny zava-drehetra , afaka mahatoky ianao fa hamaly ny vavakao Izy rehefa tsy mitsahatra manompo Azy ianao!
Eny, izay no fanalahidy!
Zakaria koa dia nivavaka nandritry ny taona maro mba hahazo zanaka . Mety afaka niala tamin’Andriamanitra izy nanao hoe: “Nandiso fanantenana ahy Andriamanitra”. Mihaino ny fivavaky ny hafa Izy fa tsy mba mihaino ny ahy” Efa nanana fisainana toy izany koa ve ianao?
Raha i Zakaria manokana dia tsy nitsahatra nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana Izy… ary tao anatin’izany no niainany ilay fahagagana lehibe! (Lioka 1: 8-11)
Ianao koa rehefa tsy mitsahatra manompo an’Andriamanitra dia hahatsapa ny Fanatrehany miaraka aminao hatrany hatrany! Eny, rehefa manohy manompo Azy ianao dia hanao izay tiany hatao aminao Izy: manomana ny fahagagana ho anao Izy!
Manàna finoana , ary matokia Azy fotsiny
Manompoa Azy amin’ny fonao rehetra. Hanome fiadanana ho anao Izy!
Fahagagana ny fisianao!
