đź’ž Tiava 100%

Mino aho fa efa renao imbetsaka ity andininy iray ity : “ Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lioka 10:27)
Inona no dikan’ny hoe “tiava amin’ny sainao rehetra”? Te hamarana amin’ny fiarahantsika misaina ny amin’izany teny izany aho. Mino aho fa, mba handalinana izay fanontaniana izay, tsy maintsy dinihana aloha ny dikan’ny hoe “mitia amin’ny saina rehetra”. Mitia zavatra iray amin’ny sainao rehetra ianao, rehefa :
-
Tsaroanao foana izany. Tahaka ny hoe rehefa latsa-pitiavana amin’olona iray ianao, lasa mahatsiaro azy foana, tsy izay?
-
Mahafaly anao izany. Zavatra tianao ilay izy, ka miteraka fihetseham-po mahafinaritra anao rehefa tsaroanao.
-
Manao hetsika ianao. Tsy ao an-tsainao fotsiny ihany ny eritreritrao, fa mitarika anao hihetsika, handray fanapahan-kevitra mazava mba hahazoanao ilay zavatra tianao.
Rehefa ampiharintsika amin’Andriamanitra izany, ny mitia Azy amin’ny saina REHETRA dia midika hoe :
-
Ivon’ny eritreritrao Andriamanitra. Andriamanitra dia eo mandrakariva amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, amin’ny fanjohian-kevitrao, amin’ny fotoam-bavakao, ary amin’ny fiainanao andavanandro. Eny, na amin’ny fotoana manahirana anao aza : eo indrindra, tsy tapaka mihitsy ny fifandraisanao amin’ny Tompo, na dia ambadika aza. “Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona” (Kolosiana 3 : 23)
-
Heniky ny hafaliana ianao rehefa mahatsiaro an’Andriamanitra. Ny fahaizanao manatona Azy sy miaina ny fanatrehany dia mahatonga anao hiaina zavatra iray tena mahasambatra, zavatra irinao fatratra. “Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.” (Salamo 37 : 4)
-
Vonona ny hanao hetsika ianao. Ny fitiavanao Azy dia manosika anao hikatsaka ny sitrapony, hanova ny fanapahan-kevitrao ary hanatanteraka izay hiantsoany anao. “Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.” (I Samoela 3 : 10)
Ry namako, vonona ny hitia an’Andriamanitra 100% ve ianao amin’ny sainao rehetra? Rehefa manome Azy 100% ianao, dia mandray avy Aminy mihoatra lavitra noho izay eritreritrao.
Fahagagana ianao!

