❤️ Tiako ianao!

Efa naratra ve ny fonao?
Angamba efa manambady, nefa marary ny fonao satria tsy mahatsiaro tena ho tiana intsony ianao toy ny tamin’ny voalohany... na koa hoe mpitovo, ka maniry mba hiaraka amin’olona?
Tsikaritrao ve?
Na manambady na mpitovo ianao, amin’ireo tranga roa ireo dia iray ihany ny fanirianao : ny ho tiavina...
Ny tsy tsapanao dia efa ao anatin'ny fiarahana tonga lafatra!
Eny, fantatrao ve fa efa ao anatin'ny fifandraisana tsara indrindra ianao?
Ok, ilay fiarahana toa lavitra indraindray, fa ny zava-misy dia tena marina ary misy izy! Ao anatin'ny fifandraisana izay mitia anao amin'ny maha-ianao anao! Ao anatin’ny fifandraisana izay tsy misy mahasaraka anao amin'izany fitiavana izany!
“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:38-39).
Izany no atao hoe fitiavana.
Afaka miantehitra amin'io fitiavana io anio, satria te hameno anao izy!
Eny, io fifandraisana io dia hanome izay rehetra tsy azonao, na mpitovo na ao anatin'ny fanambadiana aza! Izaho manokana dia sahiko ny milaza fa izay tsy manana io fifandraisana io dia tsy hahalala ny tena fitiavana mihitsy.
Te hiresaka kely amin'Ilay tena tia anao ve?
"Jesosy ô, tiako ianao! Tonga saina aho hoe hatraiza ny fitiavanao ahy, ary izany no tena mahafaly ahy! Ary izany no tsy maintsy ilazako Aminao ny halehiben'ny fitiavako Anao koa! Arakaraka ny hamerenako izany, dia vao mainka faly aho: Tiako Ianao, tiako Ianao, tiako Ianao Jesosy! Ary ny mahafinaritra dia tia ahy koa Ianao! Tontolo andro mahafinaritra no miandry ahy! Misaotra noho ny fitiavanao! Amen!"

