Tia mijery hatsikana ve ianao?
Rehefa reraky ny tontolo andro aho, dia tena fahafinaretako ny miala sasatra eo ambonin’ny seza dia mihaino an’i Trevor Noah, mpanao hatsikana avy any Afrika Atsimo. Nandritran’ny sehony iray, nitantara izy hoe tamin’ny mbola kely, dia nanontany ny reniny hoe :
“Neny oh, ahoana no tokony ataoko rehefa misy manao fihetsika manavakava-bolokoditra ahy?”
Tsy nisalasala ny reniny nanao endrika siny lehibe tamin’ny tanany, ka namaly azy hoe : “Ny fanaratsiana rehetra, dia apetraho ato anatin’ito siny ito, dia afangaronao amin’ny fitiavan’I Jesosy!”
Taty aoriana dia tena niaina izany i Trevor Noah. Dia nanao ahoana? Tsy nieritreritra akory izy fa dia nampihariny izay nolazain-dreniny taminy! Tsy navelany hameno azy ny hatezerana sy ny alahelo. Fa vao mainka nafangarony tamin’ny fitiavan’i Jesosy izany… Tsy nisafoaka akory izy, fa nataony tamim-pitsikiana izany. 😊
Na dia tsy mitonon-tena ho kristianina aza izy, dia tena nisy akony be taminy ny fitiavan’I Jesosy. Ary ny mahafinaritra indrindra : Izay fandraisany azy izay dia nitarika fiovana tsy ho an’ny fony ihany fa ho an’ny fon’ilay te handratra azy koa! Tampoka avy teo dia lasa tsy nanan-kery hanao ratsy azy ilay lehilahy. Vao mainka aza tojon’ny fitiavana tsy mbola fantany hatrizay izy.
Te hampahatsiahy anao aho hoe : “Ny olona mandratra no maratra, ny olona tiana no mitia.”
Zava-dehibe ny fahazoanao fa tsy toe-po na fihetseham-po fotsiny izany, fa tena fandresen-dahatra hoe : Tiana ianao! ❤️
Izay teny rehetra mandratra anao dia arotsay anatin’ilay siny, mba hifangaro amin’ny fitiavan’I Jesosy izay mamonjy anao!
Mino izany ve ianao? Raha tsy izany… Manasa anao aho hanamboka dieny izao!
Aza miandry ho maratra vao hitady an’i Jesosy, fa tadiavo Izy mialohan’ny ratra!
Avy eo fihino mafy ny Fitiavany ao am-ponao, ka zarao amin’ny manodidina. Hiaraka hivavaka isika :
“Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.” (Salamo 90:14) Amena!