• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 20, 2023

Teneno amiko !

Andro namoahana Mey 20, 2023

Tiako ilay teny hoe "misaotra"! Io no iray amin'ireo teny mahafinaritra indrindra amin'ny voambolana.

Amin'ny teny Espaniola, ny teny hoe "Misaotra" dia antsoina hoe "gracias", ary iray fototeny amin’ny hoe “grâce” na fahasoavana noho izany.

Midika hoe tsara noho ny tsara, fankasitrahana, ny famelan-keloka, ny hatsaram-panahy, ny fahaizana ary ny fahafinaretana. Eny, mahafaoka ireo toetra rehetra ireo ny fankasitrahana!

Azonao sary an-tsaina ve ny hakanton’ny fiainana iray niaina tao anatin’ny toe-tsaina feno fankasitrahana mandrakariva?

Heveriko fa efa samy nanana fotoana isika rehetra teo amin'ny fiainantsika andavanandro izay namely antsika ny adin-tsaina, ny ahiahy ary ny olana.

Amin'ny fotoana toy izany, ny fitarainana, ny fahasorenana, ny fahitahitana sns ….. dia miezaka ny hifehy ny fiainantsika. Ahoana anefa raha avelantsika izany rehetra izany, fa andeha isika hisafidy ny hankasitraka?

Eny, fantatro fa tsy mora izany ... lazao ahy! =) Fantatro fa ny fampanginana ny ivon’ny fahazaran-dratsintsika dia mety vidintsika lafo. Tena tsara anefa izany rehefa mahavita isika.

Amin’ny fotoana tahaka ireny, dia afaka mahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra isika, ny zavatra ataony eo amin’ny fiainantsika, ary izany no mahatonga antsika hankasitraka bebe kokoa!

Izany no asain’ny Soratra Masina ataontsika, rehefa voasoratra hoe: “Misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.” (1Tesaloniana 5:18).

 Eny, ry namako, tian’Andriamanitra hisaotra amin’ny zavatra rehetra ianao! Amin'ny toe-javatra rehetra: tsy nahita fiara fitateram-bahoaka ve ianao? Tara ve ianao vao tonga noho ny fitohanan'ny fiara na ny noho ny faharatsian’ny làlana? Mbola tsy voaloa ve ny karamanao nefa ianao efa avy niasa mafy? Tsy mahavita volana ve ny karamanao ary tsy maintsy manenjika asa roa ianao? Tapaka ny jiro rehefa te-hijery ny ekipa tianao indrindra milalao ianao?... Jereo ny lafin-tsara amin'ny toe-javatra rehetra ary misaora an'Andriamanitra! Eny, eny tokoa…misy ny lafin-tsarany … makà fotoana andinihana dia ho hitanao….

Ary amin'ny fotoan-tsarotra indrindra, safidio ny hanaisotra mandrakariva ny lolom-po, ny fitarainana ary ny fanaintainana… Misaora an'Andriamanitra amin'ny finoana! Azoko antoka fa hahita antony arivo isaorana Azy ianao.

Tia anao Andriamanitra, ary mijoro eo anilanao mandrakariva Izy

 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.