Tena zava-dehibe aminao ve Andriamanitra anio ?
Ny fiainana andavanandro sy ny fahazarana… Fantatsika rehetra izany. Somary voafatotr’izany isika rehetra, satria miverimberina foana. Ampahany amin’ny fiainana izany, ary fantatsika. Amin’ny lafiny iray, mila mandalo izany fotsiny isika.
Ary anivon’izany rotoroto izany no naka fotoana kely aho hanokatra aingana ny bokiko “Vavaka isan’andro” (Eo am-panomanana ny fandikana azy amin’ny teny malagasy izahay.. 😉). Nila nandre ny feon’Andriamanitra aho.
Tamin’io andro io dia namaky ity andininy ity tao amin’ilay boky aho, izay nanala ahy tamin’ny fahazarako : 📖 « Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. » (Salamo 14:2)
Ilay vavaka voasoratra teo amin’io pejy io dia tena nanohina ahy lalina. Fantatro, mety hafahafa izany, satria izaho ihany no nanoratra ity boky kely ity – nefa minoa ahy, tsy tsapako ho sora-tanako manokana izy io, fa ny dian-tànan’ny Fanahy Masina ihany no tazako ao.
Avelao aho hizara aminao andalana vitsivitsy amin’io vavaka io:
“Efa nirinao hatrany ny hanana fifandraisana aminay olombelona, ary noho izany dia nomenao ny zava-drehetra – ary anio ? Anio, matetika ny olona dia ny tenany ihany no eritreretiny, ny tombontsoany, ary izay azony atao amin’ny heriny manokana. Ary tsapako fa anisan’izany karazan’olona izany koa aho. Tena mampalahelo ahy izany, Jesosy ! Omeo ahy tokoa ny fo mahatakatra izay tena zava-dehibe.”
Io fehezanteny io no tena nanamarika ahy : “Omeo ahy tokoa ny fo mahatakatra izay tena zava-dehibe.” Naverimberiko foana izany. Ary minoa ahy, fehezanteny mampifaly an’Andriamanitra izany, manome voninahitra Azy. Fehezanteny mamela an’Andriamanitra hahita izay tadiaviny rehefa mijery ny tany Izy, satria :
📖 « Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. » (Salamo 14:2)
Anio dia mametraka fanontaniana tena manan-danja aminao aho – ary amin’ny tenako koa :“Tena IZY ve no zava-dehibe indrindra aminao anio – eo afovoan’ny andavanandronao ?”
Anjaranao izao no mamaly izany !